Madatopinfo

 Flash Info

EREDD/C4D: Hampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana

EREDD/C4D: Hampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana

EREDD/C4D: Hampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana
mai 13
12:26 2025

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy anio 13 may 2025 ny “Foara andiany voalohany ho an’ny Fanabeazana sy serasera ara-tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (Salon ErEDD/C4D)« , izay notarihan’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala ary ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, Christine Jaulmes.
Hetsika izay natao indrindra ampahafantarana bebe kokoa ny momba ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny serasera ara-tontolo iainana ho an’ny fandrosoana lovainjafy.
Zava-dehibe ny fanatanterahana izao hetsika izao hoy ireto tompon’andraikitra ireto ahafahana mampiroborobo ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ary atomboka any an-tsekoly izany.
Mandritra ny foara dia misy ihany koa ny atrikasa izay natao hiadiana hevitra sy anolorana vahaolana entina manatsara ny sehatry ny fanabeazana ara-tontolo iainana eeto Madagasikara. Maharitra 2 andro, 13-14 may, no anatanterahana ity Foara andiany voalohany ho an’ny Fanabeazana sy serasera ara-tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (Salon ErEDD/C4D) ao amin’ny Stade Barea, izay anasana ny rehetra tsy ankanavaka hitsidika izany.

RSM

Articles similaires

mai 2025
L M M J V S D
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031