Madatopinfo

 Flash Info

CENI : Mpifidy 11 043 836 no mandrafitra ny rejisi-pifidianana nasionaly

CENI : Mpifidy 11 043 836 no mandrafitra ny rejisi-pifidianana nasionaly

CENI : Mpifidy  11 043 836 no mandrafitra ny rejisi-pifidianana nasionaly
juillet 21
15:33 2023

«Dingana iray no vita, ny 20 jolay teo dia ny fandrafetana ny rejisi-pifidianana nasionaly,izay nahitana mpifidy 11 043 836. Ny ilana izany dia ho amin’ny fifidianana mifanesy », hoy i Dama Arsène Andrianarisedo, Filohan’ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, nandritra ny tafa niarahany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma 21 jolay teo. Nanohy ny fampitam-baovaony izy teny amin’ny foibeny Alarobia fa ny fifidianana ho an’ny an’ny Filohan’ny Repoblika, ny 09 novambra ho avy izao no akaiky indrindra amin’izany. Nanisy tsindrim-peo ity lehiben’ny CENI ity fa : “Tsy maintsy misy ny fifidianana.” Ny fanentanana ny olompirenena handray anjara amin’ny fifidianana no andrasana amin’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana, anisan’izany ny mpanao politika, ny firaisamonim-pirenena, ny mpiasan’ny haino aman-jery. Rehefa nofaranana tanteraka teny anivon’ny Distrika rehetra manerana ny Nosy ny lisitry ny mpifidy ny 17 jolay teo, niakatra teny amin’ny foiben’ny CENI ary nanaovana ny fikirakirana ny anarana miverimberina na ny « opération de dédoublonnage ».

Nitombo ho 293 902 ny mpifidy anaty regisi-pifidianana, raha mitaha tamin’ny nofaranana ny 15 mey 2022 izay nananika ny 10 749 934, raha 11 043 836 nandritra ity fanavaozana ifotony ho amin’ity taona ity. Anisan’ny latsaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny an’ny Faritanin’Antananarivo izay -240 451, raha 3 633 572 ny an’ny taona 2022, dia 3 393 121 ny mpifidy 2023.

Tsy vitsy ireo antony tsy nahatafiditra ny olompirenena ao anaty fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, rah any fampitambaovaon’ny lehiben’ny CENI hatrany. Anisan’izany ny fiheverena fa efa voasoratra tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nisy tany aloha ka tsy mila misoratra intsony. Nisy koa ny tsy fahafantarana fa nisy ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy azo lavina ihany koa ny fisalasalana na ny tsy faharisihana ny hisoratra ao anaty lisitry ny mpifidy.

Ny antontan’isa ananan’ny CENI dia ireo olompirenena efa nisoratra anarana tamin’ny RALE nefa tsy nisoratra anarana ao anaty lisitra navaozina tanteraka. Olompirenena miisa 1.924.648 no tsy nisoratra anarana tamin’ity fanavaozana tanteraka ny lisitra ity. Raha toa ka tafiditra ao anaty lisitra izy ireo dia tokony ho 12.963.484 ireo olompirenena voarafitra ao anaty rejisi-pifidianana nasionaly. Raha ny vinavina, dia tokony olompirenena miisa 13.593.006 izay antsasaky ny mponina eto Madagasikara, heverina fa olompirenena ampy taona afaka hifidy sy ho ao anaty lisitra.

Tsy ny CENI ihany fa maro no tomponandraikitra tamin’ny fanentanana ny olompirenena hisoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy. Ny hany andraikitry ny CENI manontolo dia ny fananana lisitry ny mpifidy tena madio sy azo antoka, izany hoe tsy ahitana anarana miverimberina ary koa voarakitra ao anaty rindrambaiko daholo ireo izay nanefa ny adidiny ka nisoratra anarana tany amin’ny Fokontany misy azy. Tsy miantoka ny hosoka izay ataon’ny sasany amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisitra. Tsy hilefitra kosa ny CENI amin’ny fifidianana amin’izay mety ho hosoka ho hataon’ny olompirenena.

Haja Nirina

photo : CENI Madagascar

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930