Madatopinfo

 Flash Info

BOKY MIRAKITRA TONONKALO: Hapaitaka eny amin’ny trano fivarotam-boky ny asa soratr’i Dominique Ranaivoson

BOKY MIRAKITRA TONONKALO: Hapaitaka eny amin’ny trano fivarotam-boky ny asa soratr’i Dominique Ranaivoson

BOKY MIRAKITRA TONONKALO: Hapaitaka eny amin’ny trano fivarotam-boky ny asa soratr’i Dominique Ranaivoson
avril 18
16:56 2023

« Jacques Rabemananjara œuvre poétique », io no lohatenin’ilay boky nosoratan’i Dominique Ranaivoson, mpanoratra sady mpampianatra mpikaroka. Tonga eto Madagasikara ny tenany hampahafantatra ity sangan’asany ity ho an’ny mpamaky sy mpitia boky eto an-toerana. Ny alarobia 18 Aprily teny amin’ny IFM Analakely no nanatanterahana ny fampahafantarana ny mikasika ny vontoatin’io vokatra vaovao io sy ilay mpanoratra. « Amin’ny fiteny frantsay ity boky ity, ahitana karazana anaran-javamaniry sy vorona eto Madagasikara ao anatin’ny tononkalo. Ankoatra izay, miompana misimisy kokoa amin’ny fitiavan-tanindrazana ny tononkalo hita ao. Ho an’ireo teny sarotra kosa, misy naoty fanazavana eny ambanin’ny pejy mba hahamora ny fahazoana sy ny famakiana azy. Miisa 600 ny fitambaran’izany naoty hita ao anatin’ny boky » , hoy i Dominique Ranaivoson, mpanoratra. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Mpariaka Boky Madagasikara na MBM sy ny famatsiam-bola avy amin’ny Fonds YavarHoussen kosa no nahafahana nanonta fanindroany ny boky teto an-toerana. Ny Fonds YavarHoussen izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Groupe Filatex eto Madagasikara, Hasnaine YavarHoussen rahateo manohana ny fampiroboroboana ny kanto sy ny kolontsaina eto an-toerana nandritra izay taona nijoroany teto Madagasikara izay.
« Hisy fihenam-bidy ity boky ity. Raha jifaina amin’ny vidiny 50.000 ariary izany amin’ny andavanandro, hihena ho 30.000 aroary kosa ny vidiny hatramin’ny tapaky ny volana Mey 2023 », hoy ny Talen’ny famoaham-boky eo anivon’ny Mpariaka Boky, Lalao Elina Razanadriaka.
Ho fampahafantarana ny boky « Jacques Rabemananjara œuvre poétique » sy ny mpanoratra mandritra ny fivahinianany eto Madagasikara, misy hetsika maromaro hotanterahana, isan’izany ny alakamisy 20 Aprily ho avy izao izay hotontosaina eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ary atrehan’ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930