Madatopinfo

 Flash Info

DISTRIKA MIANDRIVAZO: Mitaky ny mangarahara ny fianakavian’ilay mpandraharaha namoy ny ainy

DISTRIKA MIANDRIVAZO: Mitaky ny mangarahara ny fianakavian’ilay mpandraharaha namoy ny ainy

DISTRIKA MIANDRIVAZO: Mitaky ny mangarahara ny fianakavian’ilay mpandraharaha namoy ny ainy
novembre 12
07:29 2021

Nitondra fanazavana momba ny nahafatesan’ny mpandraharaha iray ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Miandrivazo ny solontenan’ny fianakaviany, ny alakamisy 11 novambra, teny Anosy. Nambaran’i Lestonie Oscar, havan’ilay namoy ny ainy io, fa novoina tamin’ny fomba feno habibiana no antony nahafaty an’ity mpandraharaha amin’ny sehatry ny omby ity. Araka ny valin’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo tao Miandrivazo azon’ny fianakaviana mantsy dia tifitra no nahafaty ilay rangahy 58 taona. Tsiahivina fa ny 3 Novambra 2021 lasa teo tokony tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no nitrangan’izany, raha ny fitantaran’i Lestonie Oscar hatrany. « Nisy andiana miaramila nanao saro-tava niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana an’ny tafika nisabombotra io havanay io teo imasom-bahoaka. Nototoina vodi-basy ary noentina avy hatrany tao anaty fiara. 25 kilaometatra miala ny tanàna, ny vata-mangatsiakany no novantaninay ny maraina « , hoy ny fianakaviana. Raha ny fanampim-panazavana, nopotserina ny mason’ilay mpandraharaha ary feno ratra ihany koa ny tarehiny. Nanambara moa ny fianakaviana fa efa nanatona ireo ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana izy ireo saingy nilaza tsy nisy nahafantatra ny anton’izao vono izao. Manoloana izany, mangataka ny fitondram-panjakana ny havan’ilay namoy ny ainy, mba hijery akaiky ity raharaha ity. Manao antso avo amin’ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena ihany koa ny fianakaviana hidina ifotony any Miandrivazo hanaraka ity tranga mampiahiahy ity. Efa nisy rahateo ny dingana nataon’ny havan’ilay mpandraharaha, nisy ny fitoriana napetraka tamin’ny mpisehatra miaro ny zon’olombelona, teo ihany koa ny teo anivon’ny tribonaly ao amin’ny Distrika Miandrivazo.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031