Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY FAMBOLENA, FIOMPIANA ARY JONO : Tomponandraikitra mitavozavoza no ahiana nahavoaroaka ireo ECD efa saika ho ELD

MINISTERAN’NY FAMBOLENA, FIOMPIANA ARY JONO : Tomponandraikitra mitavozavoza no ahiana nahavoaroaka ireo ECD efa saika ho ELD

MINISTERAN’NY FAMBOLENA, FIOMPIANA ARY JONO : Tomponandraikitra mitavozavoza no ahiana nahavoaroaka ireo ECD efa saika ho ELD
juin 11
07:50 2021

Efa ho ELD na “employé à longue durée” ireo mpiasa 36 ECD na « employé à courte durée  » an’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary Jono izay voakipily tampoka, ny volana marsa teo. Ny loharanom-baovao azo antoka no nampita hatrany fa : « Ahiana noho ny fitavozavozan’ny mpiandraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary Jono dia nahato tamin’ny asany ny mpiasa miisa 36. Isan’izany ary maro indrindra ny avy ao amin’ny Faritra Atsimo Antsinanana izay miisa 10 mianadahy.” Voalaza hatrany araka ny fanadihadiana lalina notanterahin’ireo mpiasa fa tomponandraikitra ambony mihitsy no mahatsikaritra io fitavozavozana miharo hafetsen’ny mpiandraikitra any ifotony io. Nomarihin’ny mpampita vaovao hatrany, araka ny tafa nifanaovany tamina tomponandraikitra eo anivon’ny Ministera voakasika fa tsy nisy toro-marika avy amin’ny Fitondrana foibe na mpitantana avy aty an-tampon’ny Ministera izao faminganana mpiasa izao.
Ny mpampita vaovao hatrany, izay nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny tahotra valifaty amin’ny fijoroana amin’ny marina toy izao no nilaza fa : “ Velon-taraina tanteraka mahakasika izany fandroahana izany ireo mpiasa satria ny sasany nindram-bola tamin’ny banky ao koa ireo tera-bao.” Ny loharanom-baovao hatrany no manohy sy mamakafaka fa : “ Izany anefa dia mifanohitra tanteraka amin’ny veliranon’ny Filoha hajaina ankehitriny satria raha tokony ho fanatsarana mpiasa no natao dia fampiatoana no valiny”.
Nampananteanina asa hitohy kinanjo noroahina
Manahy mafy amin’ny toe-draharaha misy ireto mpiasa ireto fa misy ambadika kolikoly izao toe-javatra izao, araka ny tranga izay tsikaritr’izy izy ireo. Ny taona 2019 mantsy nampanantenaina ho lasa ELD ireto mpiasa ireto ary efa afaka tamin’ny adina na « évaluation » farany. Nefa izao voatsipaka am-bava fo izao ankehitriny. Araka ny siotsion-dresaka mandeha moa dia mety hasolo olon-kafa ny toeran’izy ireo amin’ny Fandraisana ho mpiasam-panjakana. Koa manaitra ny tomponandraikim-panjakana ireo lasibatra mba handray fepetra haingana mifanandrify amin’izao tranga mamohehitra izao. Mihevitra aza ny ankamaroan’ny mpiasa voaroaka fa ahitana endrika fanavakavahana ara-piaviana izao toe-javatra izao. Ny ECD teo amin’ny foibe na « centrale » anefa dia voaray daholo ary tsy nisy noesorina tahaka ireto avy amin’ny Faritra. Msokatra amin’ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina sady mpanatsikafona ny tsindrihazolena sy ny andrim-panjakana ary ny sehatra miady amin’ny kolikoly ho amin’ny tany tan-dalàna sy mangarahara izay fototry ny demokrasia ny vaovao. Miandry ny valin-kafatra avy amin’ny tomponandraikitra, indrindra ny fiarovantenan’ireo tomponandraikitry ny faritra maro izay voakasika ny gazetinay. Rah any tsiliontsofina re anefa dia tsy ity ministera ity ihany no nampiharana ity fanajanonana ny ECD izay fifanarahana asa fohy nefa efa niasa lava izy ireo.
La Rédaction

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031