Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA RINDRA SY NY DISTRIKA ATSIMONDRANO: Hiara-hisalahy amin’ny fangaraharam-pitantanana ny roa tonta

TETIKASA RINDRA SY NY DISTRIKA ATSIMONDRANO: Hiara-hisalahy amin’ny fangaraharam-pitantanana ny roa tonta

TETIKASA RINDRA SY NY DISTRIKA ATSIMONDRANO: Hiara-hisalahy amin’ny fangaraharam-pitantanana ny roa tonta
octobre 20
06:24 2022

Fanoitra lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiharana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly. Izany indrindra no nahatonga ny Msis-tatao tamin’ny alalan’ny fandaharanasa RINDRA Fanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara. Nisitraka ny atrikasa ny teo anivon’ny Distrika Atsimondrano izay nanomboka ny alatsinainy 17 oktobra, isan’izany ny Kaominina Itaosy. Nanambara ny Ben’ny Tanàna Itaosy, Jean Richard Randrianarisoa fa mitovy tadin-dokanga amin’ny hetahetan’ny kaominina tantanany izao hetsiky ny programa RINDRA izao, hampanjakana ny ady amin’ny kolikoly sy hisian’ny tamberin’andraikitra. « Mitombo ihany koa ny fahalalana mandritra ny 3 andron’ny atrikasa ho amin’ny fifampitondrana. Raha tsy mandeha araka ny tokony ho izy mantsy ny fitantanana indrindra fa ny tetibola dia tsy hisy tanteraka ny ny tetikasa fampandrosoana ny kaominina », hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, isan’ny nandray anjara mavitrika nandritra ity atrikasa izay niarahana tamin’ny ekipan’ny fandaharanasa RINDRA ihany koa i Eric Randriaharijaona, isan’ireo ao amin’ny seraseran’ny Msis-tatao. Nohamafisiny fa tsy latsa-danja ny fanentanana ny fiarovana sy ny fanajana ny zon’olombelona, eo ihany koa ny fanabeazana ho olompirenena. Ankoatra ny mpitantana ny kaominina, tonga maro ihany koa ireo olompirenena liana ny hahafantatra momba ny antom-pisian’ny fandaharanasa Rindra Fanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara sy ny zava-dehibe entina hanamafisana ny fampandrosoana. Ny fandaharanasa RINDRA moa dia vatsian’ny USAID, tanterahan’ny PNUD Madagasikara iarahana amin’ny Msis-tatao izay maharitra 5 taona.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031