Madatopinfo

 Flash Info

RADIO MADAGASIKARA: 90 TAONA NAMPIHANOKA NY VAHOAKA MALAGASY

RADIO MADAGASIKARA: 90 TAONA NAMPIHANOKA NY VAHOAKA MALAGASY

RADIO MADAGASIKARA: 90 TAONA NAMPIHANOKA NY VAHOAKA MALAGASY
juillet 24
11:58 2021

“Io no maridrefy tena Tsara, Radio Madagasikara”. Io fehezan-teny io no nampisaloran’ny Radio Madagasikara na ny RNM ny faha 90 taonany. Lanonam-be tokoa ny teo an-tokontanin’ny Radio Madagasikara Anosy ny tontolo andron’ny zoma 23 JOLAY 2021, nanamarihana io fotoan-dehibe io.Izay natrehan’ireo manamboninahitra maro notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera izay nisolo tena ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Raha tsiahivina dia teny Antaninarenina tao amin’ny “Imeuble ONE (Office National de l’Environement) teo aloha no foibe nisy ny RNM tany ampiandohana ary Radio Tananarive no anarany tamin’izany. Ny Radio Madagasikara moa dia mampiaina ny tantaran’I Madagasikara no votoatiny. Nampitana ireo kabary goavana teto amin’ny firenena ary koa nampita ireo karazana lanonam-pirenena nisy teto Madagasikara .Nitantara ireo karazana hetsi-bahoaka ihany koa toy ny tamin’ny taona 2001, ny 2019 sns…
Anisan’ny nahafantaran’ny maro azy ihany koa ny fitantarana mivantana ireo lalao ara-panatanjahatena maro ary misongadina amin’izany ny baolina kitra; tsy vitsy ny olona no misafidy mijery sary amin’ny Televiziona fa ny feo kosa dia ny an’ireo mpitantara ao amin’ny Radio Madagasikara no henoina, torak’izany koa ireo mijery eny an-kianja no sady mivimbina radio kely iainoana ireo mpitantaraao amin’ny RNM, taty aoriana aza moa dia efa enoin’ny maro amin’ny alalan’ny finday ny radio no sady mijery lalao mivantana eny an-kianja izy ireo. Anisan’ny tsy ahafoizan’ny olona ny fitantaran’ireo mpiasan’ny Radio Madagasikara izay mahafehy ny asany tokoa. Toy ny mihaina mivantana mihitsy ireo izay tsy mahita sary. Isan’ny sangany amin’io fitantarana lalao baolina kitra io Andriamatoa Daniel Randriamaro, sy ry Ruffin Rakotomaharo sns…
Manaraka izany dia nataon’ny olona famatarana ora ihany koa ny Radio Madagasikara amin’ny alalan’ireo fandaharana isan’andro toy ny: Tetsy sy Teroa rehefa amin’ny iray ora sy sasany tolakandro, ny ampitapitao isaky ny amin’ny folo ora maraina,ny fampahalalam-baovao amin’ny 6ora 30mn maraina,amin’ny 12 ora 30mn atoandro ary amin’ny 7ora hariva, eo ihany koa ny tantara isaky ny amin’ny iray ora sy fahefany atoandro izay isan’ny tsy ahafoizan’ny olona anio Radio io tokoa noho izy voalohany nanao izany, maro ireo mpilalao no andrarezina sy nanamarika ny mpijery toa an-dry Gege Rasamoely, Nirina, Clara,Alain, na ireo efa lasana aza toa andry Vahandanitra izay nodimandry ny taona 1999 sns.. misy amin’izy ireo aza no lasa milalao sarimihetsika ankehitriny.
Anisan’ny manamarika io onjampeo io ihany koa ny fananany ireo fandarahana fanadihadiana mampitolagaga ka isan’ izany ny fandaharara Dihary iandraiketan’I Suzelle Ravololomihanta ; ary indrindra ny fandaharana Tanana Havoana Mena Masoandro iandraiketan’I Latner Rangers izay ahenoana tantara miavaka sy tsy fahita firy. Tsy hadinoina moa ireo hira maro isan-karazany.
Amizao faha 90 taonany izao moa ny Radio Madagasikara dia manana vina sy tanjona ny ho hitodika amin’ny tanora kokoa , dia eo amin’ireo fitaovana izany ary koa miroso amin’ny teknolojia manaraka vanim-potoana.Efa misokatra ny tranokala RNM izay mifanindran-dalana amin’ny ORTM.
Ny tsangambaton’ity fankalazana ity faha 90 taona ity moa dia ny “studio” manara-penitra fandraisampeo tantara ary nampitondraina ny anaran’ilay Mpikirakira tantara an’onjampeo nisongadina tamin’ny fotoan’androny dia I Vahandanitra izany, isan’ny nahafaly ny fiakavian’ity farany moa ny nanandratana ity havany izay efa lasa nialoha lalana ary mipetraka ho tantara ny zava-bitany tamin’io sehatra io.Nisy ny fampiainana tantara mivantana tao anatin’io studio vao notokanana io ka notazonina ny feon’I Vahandanitra izay tanaty horonampeo fa ny mpilalao hafa kosa nolalaovin’I Ny Ony Ramanamisata sy Alain Rabemanatsoa, I Sophie Ravelomanantsoa kosa no nanatontosa, mivantana daholo moa izany rehetra izany. Nofaranana tamin’ny mofomamy ny lanonana tapany maraina tao amin’ny studio Vahandanitra.
Mbola nitohy ny tolakandro moa ny fety tamin’ny alalan’ny rindran-kira izay nahitana mpanakanto maro toa an’I Jaojoby,sns…
Hanitra Rasolonjatovo

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930