Madatopinfo

 Flash Info

YOUZOU SMATCHIN ORANGE AONNAAA 2024 : Niavaka ny lanonam-panokafana ny andiany faha-10

YOUZOU SMATCHIN ORANGE AONNAAA 2024 : Niavaka ny lanonam-panokafana ny andiany faha-10

YOUZOU SMATCHIN ORANGE AONNAAA 2024 : Niavaka ny lanonam-panokafana ny andiany faha-10
mars 10
10:14 2024

Horakoram-pifaliana no nandrakotra ny Kianjan’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny tolakandron’ny sabotsy 9 Marsa nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Smatchin Youzou Smatchin Orange Aônnaaa andiany fahafolo. Taorian’ny fandraisan’ny tarika Jaws Band anjara, nifandimby nandray fitenenana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, isan’izany ny teo anivon’ny Orange Madagascar, Dina Mallet. Nampahafantarany tamin’ny lahateniny fa ankoatra ny fanohanan’ny Orange Madagascar izao andiany fahafolo amin’ny Smatchin izao dia misy ihany koa ny tolotra manokana sady mirary ho an’ireo tanora mpianatra 18 ka hatramin’ny 26 taona izay hahafahana misitraka internet azo isafidianana. Efa nisy toerana natokana hividianana sy fampahafantarana ny tolotra Orange rahateo teny an-toerana.
Naseho tamin’ny alalan’ny karazana soradihy hafakely niarahana tamin’ireo tanora mana-talenta eo amin’io sehatra io kosa avy eo ny hetsika. Nanafana ny lanonana amin’ity andro voalohany sady fanokafana ny Youzou Smatchin Orange 2024 ireo mpanakanto tanora fanta-daza toa an’i Nael, Mr Sayda, L-Jo, DJ Natoo sy Cyemci noravahana haingon-tsehatra sy karazan-jiro samihafa.
Ankoatra ny fianakaviamben’ny mpikarakara ny Smatchin, tonga nanotrona tamin’ity lanonam-panokafana ity ihany koa ny Filohan’ny Federasiona misahana ny Basketball, nohamafisiny fa efa dingana lehibe no nahatongavana amin’izao faha-10 taona ary antenaniny fa hisy Ligy manokana hivoaka amin’ny Smatchin afaka taona vitsivitsy. Tsiahivina fa sekoly ambony miisa 40 no mandray anjara amin’ny fifaninanana taranja Basketball amin’ity taona ity, sokajy lahy sy vavy raha 12 monja izany tamin’ny andiany voalohany. Tsy mijanona amin’ny lalao ara-panatanjahantena fotsiny ihany anefa ny Smatchin fa misy ihany koa ny fifaninanana Miss et Mister sy Moozik Dj Contest ary Jeux vidéo. Mandritra ny 9 andro no hanatanterahana ny Smatchin 2024, ny alahady 17 Marsa kosa no famaranana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930