LA POÉSIE DE MADAGASCAR : Asa soratra miisa 30 no voarakitra ao anatiny

Na dia eo aza ny firoboroboana sy ny fihazakazaky ny teknolojia, tsy mety lefy laza na very ny fikirakirana boky noho izy manampy amin’ny fanovozam-pahalalana sy mirakitra ny asa soratra. Azo lazaina fa maro ihany koa ny olona no mbola liana amin’ny famakiam-boky amin’izao vanim-potoana izao. Ho an’i Docteur Dominique Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka manam-pahaizana momba ny « littérature francophone » sy literatiora Malagasy, miroso hatrany izy ary hiezaka hanatsara kokoa ny sangan’asa vokariny. Ho marik’izany, notanterahana ny zoma lasa teo teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny famoahana ofisialy ny boky andian-tononkalo mitondra ny lohateny hoe: « La poésie de Madagascar » izay novolavolain’i Docteur Dominique Ranaivoson. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Fonds Yavarhoussen no nahatanteraka izany. Asa soratra mpanoratra tononkalo miisa 30 no voarakitra ao anatin’ity boky ahitana 300 pejy ity tahaka ny Jean-Joseph Rabearivelo, Jacques Rabemananjara, Flavien Ranaivo, Na Hassi, Izika, Elie Ramanankavana. Notolorana santionan’io boky io ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay nisoloan’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Faly Ratovonirina.
Azo jifaina amin’ny amin’ny vidiny 23,00 € ity boky ity, ary amin’ny endrika nomerika kosa amin’ny vidiny 15,99 €. Azo vidiana amin’ireo fivarotam-boky miisa 700 mahery manerana an’i Frantsa ity boky ity, ary ho hita koa any amin’ireo tranomboky maro eto Madagasikara tahaka ny Tranombokimpirenena, ny Institut Français de Madagascar (IFM), ary ny Alliances Françaises.
Mickah R.