HERINANDRON’NY EOROPA: Hamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy sy eoropeana

« Manome vahana ny tetikasa manan-danja ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeana », hoy ny ampahany tamin’ny lahatenin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinason izay nisolo tena ny Governemanta Malagasy nandritra ny lanonam-panokafana ny Andro natokana ho an’ny Tetikasan’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara. Tamin’ity taona ity, tanterahina ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny hetsika ka ny alarobia 21 mey ka hatramin’ny zoma 23 mey no hanamarihana izany. Nivoitra tamin’ity Herinandron’i Eoropa ity ny hanasongadinana ireo tetikasa tohanan’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, indrindra amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra, fampianarana ary fikarohana siantifika. Nentina ihany koa nanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy sy eoropeana.
Olo-manan-kaja maro no nanatrika ity lanonana manan-danja ity, ankoatrany Ministry ny Toekarena, teo ihany koa ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara sy ao amin’ny Nosy Komoro, Roland Kobia, ny Masoivohon’i Frantsa Arnaud Guillois, ny Masoivohon’i Alemaina Oliver Knoerichh.Nandray anjara tamin’io ihany koa ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo lefitra Docteur Nantenaina Rabetokotany izay naneho tamim-pireharehana ny fahafahan’ny oniversite nandraisana ny hetsika. « Maneho fifampiraisana ho amin’ny ho avy mifototra amin’ny fahalalana, ny fanavaozana ary ny firaisankina ity hetsika ity« , raha ny nambarany. Nohamafisiny ihany koa fa mijoro ho mpandray andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina ny oniversite.
Ankoatra izay, nisy ny seho ara-kolotoraly sy fitsidihana ireo tranoheva nasehon’ireo mpanatanteraka tetikasa, ahafahan’ireo vahiny nahita mivantana sy niresaka tamin’ireo nahazo tombontsoa avy amin’ny tetikasa. Naseho tao ny vokatry ny fiaraha-miasa sy ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy, nahafahana nahatsapa ny tena fandrosoana entin’ny fiaraha-miasa eoropeana-malagasy.
Ho an’ireo tanora mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, dia fotoana nanentana saina sy nanome aingam-panahy ity andro ity, indrindra tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo tetikasa mifandraika amin’ny tanora, ny angovo azo havaozina, ny Pacte Vert ary ny fiovàna ara-tsolosaina sy angovo. Nampahafantarina amin’izy ireo ireo asa sy andraikitra ataon’ny Vondrona Eoropeana, ary niantso azy ireo hihevitra ny ho fandraisany anjara amin’ny tetikasa maneran-tany.
M.R