Madatopinfo

 Flash Info

FIKAJIANA NY HAREM-BAKOKA : Hampitomboina ny jiro manodidina an’i Rovan’i Madagasikara

FIKAJIANA NY HAREM-BAKOKA : Hampitomboina ny jiro manodidina an’i Rovan’i Madagasikara

FIKAJIANA NY HAREM-BAKOKA : Hampitomboina ny jiro manodidina an’i Rovan’i Madagasikara
mai 13
08:53 2025

Teratany malagasy sy vahiny manodidina ny 800 ka hatramin’ny 1.000 isan’andro no tonga mitsidika ny Rovan’i Madagasikara izay harem-bako-pirenena ahitana ireo lapan’ny mpanjaka nifandimby sy ny arsiva mirakitra ny tantaran’i Madagasikara nandritra ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka ary ihany koa mitahiry ny harena ara-kolontsaina isam-paritra. Nambaran’ny Mpitahiry vakoka misahana ny Rovan’i Madagasikara, Niry Rajaonarison fa misy ampahany mbola tsy mazava ny Rova indrindra amin’ny faritra atsinanana. Ho fampiroboroboana ny fikolokoloana izany, misy ny fifanarahana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia izay notanterahana, omaly, teny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Teo amin’ny ORMADA, ofisy eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Groupe Filatex.
Voarakitra anatin’io fifanaraham-piaraha-miasa io ny fanamafisana ny fametrahana jiro amin’ny lalana sy ny zaridainan’ny Rovan’i Madagasikara izay mirefy 250 metatra. Ny Vondrona Filatex araka izany no hisahana tanteraka ny famolavolana, ny famatisana ary ny fametrahana izany. «  Mifanitsy amin’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanamafisana ny fiarovana sy fikajiana ny vakoka ary hanomezana lanja ny vakoka ity tetikasa ity« , hoy ny Tale miandraikitra ny Raharaham-bahoaka eo anivon’ny Vondrona Filatex, Tahina Ramaromandray.
Tonga nanatrika io fifanaovan-tsonia io moa ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna sy ireo mpiara-miasa aminy.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2025
L M M J V S D
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031