Madatopinfo

 Flash Info

FESTIKITE MADAGASCAR: Hotanterahina any Antsiranana ny andiany voalohany ny 26, 27 ary 28 Mey

FESTIKITE MADAGASCAR: Hotanterahina any Antsiranana ny andiany voalohany ny 26, 27 ary 28 Mey

FESTIKITE MADAGASCAR: Hotanterahina any Antsiranana ny andiany voalohany ny 26, 27 ary 28 Mey
mai 23
06:30 2022

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanpandrosoana ny firenena iray ny sehatry ny fizahantany. Saika nisedra olana avokoa anefa maneran-tany noho ny krizy ara-pahasalamana ka nisy fiantraikany goavana teo amin’io sehatra io, voakasik’izany i Madagasikara. Isan’ny paikady hanarenana, hampiroboroboana ny fizahantany anatiny sy ivelany ary, misy ny hetsika antsoina hoe: « Festikite Madagascar ». Araka fampahafantarana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Antaninarenina ny zoma lasa teo, hotanterahana ny 26, 27 ary 28 Mey ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny « Festikite » ary any Antsiranana, baie de Sakalava kosa no hisantarana izany. Ny « Festikite » moa dia fizahantany ara-panatanjahantena ary any Diego-Suarez no isan’ireo manana toetry ny andro mifanaraka amin’ny kitesurf mandritra ny volana Aprily ka hatramin’ny Novambra « Tanjon’ny Ministera ny hahatrarana mpizahantany manodidina ny 500.000. Tsy maintsy ampiana tosika sy samihafa amin’ny alalan’ny tolotra ara-pizahantany eto Madagasikara mba hahatongavana amin’izany fa tsy hihonona intsony amin’ny fizahantany ara-javaboahary, natiora na ara-kolontsaina ihany », hoy ny Mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany, Johary Rajosefa. Tsy vahiny ihany fa na ny malagasy aza efa betsaka no liana sy mankafy ny kitesurf, ity tolotra vaovao ity ihany koa moa dia fomba iray entina hisarihana mpizahantany eto Madagasikara. Ny Festikite rahateo dia natao hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny kitesurf araka ny fanampim-panazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Fizahantany, Tsitohaina Andriamanohera. Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fizahantany, tohanan’ny tetikasa PIC, ary ny Ofisim-pirenena misahana ny Fizahantany kosa no manohana ara-teknika. Antenaina hitondra ainga vaovao ho an’ny tontolon’ny fizahantany eto an-toerana araka izany ny Festikite.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930