Madatopinfo

 Flash Info

ZAIMAIKA ANALAKELY : Nitarina sady nampakarina rihana iray

ZAIMAIKA ANALAKELY : Nitarina sady nampakarina rihana iray

ZAIMAIKA ANALAKELY : Nitarina sady nampakarina rihana iray
décembre 10
08:01 2020

Anisan’ny fanambin’ny Ben’ny Tanana ankehitriny, Naina Andriantsitohaina ny fanarenana sy ny fanatsarana ny Zaimaika. Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo ny fanohizana ny fanamboarana azy io, raha niato nandritra ny fihobohana. Tsiahivina moa fa rava tanteraka ny tafo tamin’ny rotsakorana teo aloha tamin’ity taona 2020 ity. Raha ny vaovao azo teny an-toerana dia efa noravaina avokoa ireo lakozia sy efitrano fidiovana teo amin’ny faritra manodidina. Azo antoka, noho izany fa hitatra io toeram-pisakafoanana io.
Raha ny siosion-dresaka teny an-toerana, hisy rihana ny Zaimaika. Mpandraharaha teratany Malagasy izay manao tantsoroka amin’izao CUA ho famitana ity foto-drafitrasa ity no hitana ny ampahany, ary ireo mpivarotra hatrizay dia samy ho tafaverina ao avokoa. Efa nandalo ny fankatoavan’ny Filankevitra monisipaly moa izany tikasa izany, ny volana oktobra teo.
Mamiratra
Trano fitaratra sy mamiratra tanteraka no voalazan’ireo mpivarotra sendra ny mpanao gazetinay fa endrik’ity vakoka an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra ity, aoriana kely. Nambaran’ny mpanatri-maso fa biriky amin’ny fiara mpitatitra amam-polony maro tato ato no mihazo an’ny fanamboarana an’ny zaimaika isan’andro. Ny tafo izay nirodana, efa voasolo fanitso matevina sady manara-penitra tanteraka.
Anisan’ny nampintaraina ireo mpanjifa sy ny mpanara-baovao hatrizay moa ny loto sy ny havoretrana tao amin’ny zaimaika hatrizay ka io fahadiovana ara-pahasalamana io no mila fehezina hatrany hifanaraka amin’ny foto-drafitrasa avo lenta ho avy eo.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930