Madatopinfo

 Flash Info

VONDRON’ORINASA ARBIOCHEM : Nanamarika ny nahazoany ny « Certification ISO 9001:2015 »

VONDRON’ORINASA ARBIOCHEM : Nanamarika ny nahazoany ny « Certification ISO 9001:2015 »

VONDRON’ORINASA ARBIOCHEM : Nanamarika ny nahazoany ny « Certification ISO 9001:2015 »
janvier 25
16:34 2024

Isan’ny sivana hahazoana ny « Certification ISO 9001:2015 » ny fomba fandraisana ny mpanjifa, ny fitsaboana ny biby sy ny fanafody, fitaovana, ny fahadiovana, ny akora ampiasaina ary mandalo dingana maro toy ny fitsirihana, ny fanarahana ny fenitra sy ny hafa. Eto Afrika, reharehan’i Madagasikara ny nahazoan’ny Vondron’orinasa ArBiochem ny « Certification ISO 9001:2015 ». Orinasa roa ao anatin’ity Vondrona ity no nisitraka izany, ny Clinique Véterinaire Vetcare izay clinique voalohany eto Afrika nahazo io ary ny Activo izay mamokatra zanak’akoho fakana nofo, manatody lava sy zana-trondro.
« Tsy mora no nahazoana ity Certification ity, fa nisy ny ezaka goavana na teo amin’ny mpiara-miasa na ihany koa teo amin’ireo mpiara-miombo’antoka. Tsy vita hatreo anefa izany fa mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana », hoy ny Tale Jeneraly eo anivon’ny Vondrona ArBiochem, Rivo Andriamanalina nandritra ny lanonana fanamarihana nahazoana izany izay notanterahana teny Ambohimangakely ny alarobia 24 Janoary. Olo-manankaja maro no nanatrika ity lanonana ity toy ny solontenam-panjakana notarihan’ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Tahina Razafindramalo, teo ihany koa ny Ben’ny Tanàna an’Ambohimangakely, Thierry Radafy. Ho an’ny Vondrona ArBiochem, vina ny hamokarana zanak’akoho tsara indrindra eto Madagasikara, hampitombo sy hanatsara ny kalitao hatrany.
Nanamafy ihany koa ny tompon’andraikitra fa tsy misy fiantraikany velively amin’ny saran’ny vokatra eo amin’ny tsenany ny fahazoany ity Certification ity. Mbola mitazona hatrany ny vidiny ny orinasa nanomboka tamin’ny taona 2012 hatramin’izao toa ny saram-pizahana biby izay manomboka amin’ny 20.000 ariary.
« Tsy manondrana ny vokatra izahay satria mbola tsy ampy ny akohokely eto Madagasikara ary tsy maharaka ny filàna ara-barotra izany. Amin’ny taona 2050, 50 tapitrisa ny malagasy hila sakafo ka handray anjara mavitrika amin’nizany ny ArBiochem », hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny ArBiochem. Raha ny fantatra, eto Madagasikara avokoa ny ankabeazan’ny akora kirakirain’ny ArBiochem toy ny katsaka sy mangahazo.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930