Madatopinfo

 Flash Info

VOLANA JONA 2020: Nanamarika ny iray volan’ny ankizy isika eto Madagasikara

VOLANA JONA 2020: Nanamarika ny iray volan’ny ankizy isika eto Madagasikara

VOLANA JONA 2020: Nanamarika ny iray volan’ny ankizy isika eto Madagasikara
juillet 01
08:26 2020

« Ankizy misitraka ny zony, antoky ny ho avy mamiratry ny Firenena », io no lohahevitra noentina tamin’ity iray volan’ny ankizy nandritra ny volana Jona 2020 ity. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany raha ny antsika eto Madagasikara manokana na dia teo aza ny fisian’ny valanaretina covid-19, ohatra amin’izany ny fandaharana sy fanentanana isan-karazany tamin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny zotran-tserasera. Omaly 30 Jona tolakandro no nofaranana tamin’ny fomba ofisialy izany « iray volan’ny ankizy » izany teny amin’ny Ministeran’ny Mponina Ambohijatovo. Nandritra izany, nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninana tononkalo sy sary izay nandraisan’ny ankizy rehetra manerana ny Nosy anjara. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 Jona ary nifarana ny 15 lasa teo no nanatanterahana ny fifaninana ka nizara sokajin-taona roa avy ny teo amin’ny tononkalo sy ny sary. Niompana tamin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny zon’ny ankizy moa ny fifaninana ary tamin’ny fiteny malagasy avokoa ny tonokalo amin’ny maha iray volana ho natokana ho fanandratana ny teny malagasy ny volana Jona manontolo. Raha teo amin’ny sokajy 5 hatramin’ny 12 taona tamin’ny fifaninana sary, tany amin’ny Faritra Diana no nitàna ny laharana voalohany, ary avy any amin’ny Faritra Amoron’Imania kosa no nahazo ny voalohany teo amin’ny sokajy 13 hatramin’ny 17 taona. Tamin’ny fifaninana tononkalo indray kosa teo amin’ny sokajin-taona voalohany izay nitondra ny lohateny hoe: « Zahay zaza ampela » dia tany amin’ny Faritra Menabe no nibata ny amboara ary tany Atsimo Andrefana kosa no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny sokajin-taona 13 hatramin’ny 17 taona. Samy nahazo loka avokoa ireo 3 volohany isan-tsokajiny tamin’ity lalao ity. Nanatrika ity famaranana ny iray volan’ny ankizy ity moa ny Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, Naharimamy Lucien Irmah sy ireo solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka. Noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto amintsika anefa, tsy afaka nanatrika mivantana ny fanolorana ny loka ireo ankizy nandresy ireo fa nampanantena kosa ny mpikarakara fa alefa amin’izy ireo tsirairay any amin’ny Faritra misy azy avy ny lokan’izy ireo. Isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanasivanana sy ny fitsarana ny fifaninana moa ny teo anivon’ny Birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly na ny BIANCO mba hisian’ny mangaraharaha ao anatin’izany.
Ankoatra izay, tamin’ity famaranana ny iray volan’ny ankizy ity ihany koa dia nisy ny fampahafantarana ny tranokala www.arozaza.mg izay fitaovana iray hiarovana ny ankizy. Araka ny fanazavana voaray, ahitana vaovao tsara ho fantatra sy ny lalàna samy hafa miresaka ny zon’ny ankizy ity tranokala ity. Araka izany, azon’ny ankizy niharan’ny herisetra hatao ny manao fitorohana ao anatin’io tranokala « arozaza » io, ny olona rehetra ihany koa dia fantatra fa afaka manao fitorohana raha mahita sary na fihetsika manohintohina ny zon’ny ankizy sy trangana herisetra ary nomarihana fa hotazomina tsiambaratelo avokoa ny mombamomba ilay nitoroka. Raha ny fampahafantarana hatrany dia misy amin’ny fiteny malagasy ao anatin’io tranokala io ary efa misy tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Mponina mikirakira izany.

MTI

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930