Madatopinfo

 Flash Info

VOINKAVA-MAHATRATRA: Nitondra ny anjara birikiny ny tranom-piantohana M.A.MA

VOINKAVA-MAHATRATRA: Nitondra ny anjara birikiny ny tranom-piantohana M.A.MA

VOINKAVA-MAHATRATRA: Nitondra ny anjara birikiny ny tranom-piantohana M.A.MA
février 02
18:24 2022

Manoloana ny takaitra navelan’ny rotsakorana nisesy sy ny fihotsahan’ny tany tamin’ny toerana maro ka namoizana aina sy nanimba trano fonenana, nanolotra fanampiana ho an’ireo fianakaviana niharam-boina nandritra izany ny tranom-piantohana M.A.MA (Mutuelle d’Assurance Malagasy). Izany no natao ho famaliana ny fangatahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny talata 1 febroary lasa teo kosa no natolotra teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fanampiana maro izay nahitana fitaovana ilaina amin’ny andavanandro tahaka ny vary milanja roa taonina, savony 20 baoritra izay misy savony miisa 36 isaky ny baoritra, teo koa ny labozia 4000 isa.
« Adidy amin’ny mpiray tanindrazana no antony izao hetsika tolo-tanana ho an’ireo traboina nataon’ny orinasa tranom-piantohana MAMA izao ary fanehoana ihany koa ny soatoavina malagasy dia ny firaisan-kina izany », hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitananana eo anivon’ny « Mutuelle d’Assurance Malagasy », Andriamatoa Rolin. Ankoatra izay, nankahery sy niray fo tanteraka tamin’ireo mponina traboina ny fianakaviamben’ity orinasa tranom-piantohana ity. Tsy vao voalohany akory izao fanampiana natolotry ny M.A.MA izao, efa nitondra ny anjara birikiny izy ireo tamin’ireny fihibohana ireny.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930