Madatopinfo

 Flash Info

TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY : Nananteraka aro afo ny voly hazo ireo mponin’ny Mafaijijo, Maintirano

mai 17
12:42 2021

« Anio no ezaha ho vitaina ireo zanakazo tsy vita aro afo taminy fanokafana aminy fomba ofisialy tamin’ity taona 2021 ity. Nifampitaona an’ny kaominina Mafaijijo ny vatandelahy rehetra sy ny vehivavy niaraka aminy zandary sy ny tafika Malagasy nanatanteraka ny asa. Omby iray no maty izay natao nofon-kena mitampihavanana.» Io no fampitam-baovaon’ny Ben’ny tanana izay voafidy tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Mafaijijo, distrikan’ny Maintirano, Faritra Melaky, ny alatsinainy 17 Mey .
Tsiahivina moa fa efa tamin’ny vanimpotoanan’ny rotsak’orana ny fambolena zanakazo notanterahina tany an-toerana. Miditra amin’ny asa fanatanterahana aro afo ireo mponina any an-toerana amin’izao vanim-potoana hiditra amin’ny maintany izay mety ahiana hisian’ny doro tanety. Sambany teo amin’ny tantara no nahitana toy izao fiarovana ny hazo nambolena izao. Matetika mantsy revo ery ireo mpamboly hazo mba ho entina maka sary fotsiny ihany fa tsy mijery akaiky intsony ny faniriny sy fiavana ary ny aro afo.
Haja Nirina & Mickah Raharisoa

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930