Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA PMI MEASURE MALARIA: Vola 1,5 tapitrisa dolara no omen’ny governemanta amerikana amin’ity taona ity

TETIKASA PMI MEASURE MALARIA: Vola 1,5 tapitrisa dolara no omen’ny governemanta amerikana amin’ity taona ity

TETIKASA PMI MEASURE MALARIA: Vola 1,5 tapitrisa dolara no omen’ny governemanta amerikana amin’ity taona ity
octobre 10
07:30 2020

Natomboky ny governemanta amerikana amin’ny fomba ofisialy, amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Tetikasan’ny filoham-pirenena miady amin’ny tazomoka (PMI), miaraka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (MinSanP), ny tetikasa PMI Measure Malaria izay hanamafy ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana nasionaly sy hiady amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny serasera eo anivon’ny Masoivoho amerikana eto Madagasikara dia maharitra 5 taona ny tetikasa. USAID sy PMI kosa no mamatsy vola amin’ny PMI Measure Malaria ary miasa any amin’ny firenena 10 manerana an’i Afrika, ka anisan’izany i Madagasikara. Amin’ity taona ity dia vola mitentina 1,5 tapitrisa dolara eo ho eo no omen’ny governemanta amerikana hanatanterahana ny asa. Ny tetikasa PMI Measure Malaria dia hanampy ny MinSanP eo amin’ny fanangonana, fandinihana sy fampiasana ny angon-kevitra mikasika ny tazo, ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana ary ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ny tanjona lehibe an’ny tetikasa dia ny hanampy ny MinSanP hanatsara sy hanitatra ny rafitra elektronika momba ny torohay ara-pahasalamana eto Madagasikara, fantatra amin’ny anarana hoe DHIS2 (District Health Information Software 2). Mampiasa ny DHIS2 ny MinSanP hanangonana sy handinihana angon-kevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana avy eny ifotony manerana an’i Madagasikara hahalalana ny fironana, ny fivoarana ary ny filàna. Ny PMI Measure Malaria dia manampy ihany koa amin’ny famolavolana fitaovana hahazoana mandinika sy mamakafaka tsaratsara kokoa ny torohay ao amin’ny DHIS2. Zava-dehibe ho an’ny rafi-pitsaboana izany satria ny fisian’ny torohay azo antoka no ahafahana mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa. « Mitaky fahazoana antontam-baovao azo antoka ny fandraisana fanapahan-kevitra mahomby ho an’ny fahasalamana, » hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop. Ny asa tontosain’ny tetikasa PMI Measure Malaria dia hahazoana angon-kevitra ary fomba, ka hanome fahahafahana ny manampahefana misahana ny fahasalamana handray fanapahan-kevitra voadinika tsara.

Ny PMI Measure Malaria araka izany dia manohy ny asan’ny tetikasa MEASURE Evaluation izay novatsian’ny amerikana vola, ary nifarana tamin’ny volana martsa 2020. Nandritra io tetikasa io ny MinSanP, miaraka amin’ny USAID sy ny PMI, no namolavola ny drafitra paikady nasionaly momba ny torohay ara-pahasalamana ary nanangana ny rafitra elektronika momba ny torohay ara-pahasalamana izay miasa ankehitriny any amin’ny ny distrikam-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Nanofana ihany koa tompon’andraikitry ny distrika maherin’ny 200 ny MEASURE Evaluation eo amin’ny lafiny fanaraha-maso ary fanaovana tombana ny fitsaboana ny tazomoka. Miara-miasa akaiky amin’ireto sampandraharaha ao amin’ny MinSanp ireto ny PMI Measure Malaria: Direction des études, de la planification et du système d’information (DEPSI), Programme national de lutte contre le paludisme (PNLP), Direction de la veille sanitaire et de la surveillance épidémiologique et de la riposte (DVSSER), Direction de la Santé Familiale (DSFa) sy Direction du Programme Elargi de Vaccination (DPEV). Ny University of North Carolina ao Chapel Hill no miandraikitra ny tetikasa PMI Malaria Measure ary ICF Macro, Inc. sy John Snow Inc. no mpanantaneraka eto Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031