Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA ALISOTA: Ny Kaominina Ampitatafika no nisantantra azy

TETIKASA ALISOTA: Ny Kaominina Ampitatafika no nisantantra azy

TETIKASA ALISOTA: Ny Kaominina Ampitatafika no nisantantra azy
décembre 22
06:18 2020

Maro tokoa ny vokadratsy ateraky ny fiparitahan’ny fako eny rehetra eny toy ny tsy fahasalamana, ny valan’aretina sy aretina isan-karazany, eo koa ny fahasimban’ny tontolo iainana. Manoloana izany, nitondra vahaolana maharitra ho an’ny Kaominina 3 ivelan’ny renivohitra ny ONG Gret amin’ny alalan’ny tetikasa Alisota (Assainissement liquide et solide concerté et durable pour les communes périphériques d’Antananarivo) izay vatsian’ny AFD vola.
Ny Kaominina ambanivohitra Ampitatafika « Tanàna madio, vahoaka salama » no nanombohana io tetikasa io ary nampahafantarina teny an-toerana ny alatsinainy 21 desambra izany sady napetrakaka tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Sampandraharaha misahana ny fitantanana ny fako ho fanampiana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Kaominina. Nandritra izany, nanolotra fitaovana maro entin’ny fikambanana Manao soa sy fikambanana Bobaka manatanteraka ny asa ny ONG Gret. Ohatra amin’izany ny fiara tricicle iray sy kibota iray, borety miisa 11, daba-pako 10, EPI na Equipements de Protection Individuelle, kifafa ary ireo kojakoja fanadiovana samy hafa. Anjara asan’ireo fikambanana ireo araka izany no manangona ny fako isan-tokantrano ary manatitra izany any amin’ny toerana voatokana iray avy eo ny fiara indray no mitatitra ny fako any amin’ny toerana fanodidina azy ho lasa zezika.
« Raha fako 4.000 taonina isan-taona ny fako voaangon’ny Kaominina hatramin’izay dia hampitomboina 10 hatramin’ny 15 isan-jato kosa izany », hoy ny Lehiben’ny tetikasa Alisota, Léa Ralalamoria. Ny Ben’ny Tànana an’Ampitatafika ihany koa dia nanamafy fa mahasarotiny ao amin’ny Kaominina iadidiany ny lafiny fahadiovana sy fanadiovana ary antenaina ny hisian’ny fiatraikany tsara sady lehibe ho an’ny mponina eo an-toerana ny fanatanterahana ny tetikasa.  » Ny Fokontany anankiroa aloha no hisitraka azy hatreto dia Avaratetezana sy Ampitatafika vaovao izany. Vinavina kosa ny hanitatra izany amin’ireo Fokontany hafa », hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna, Rado Ramparaoelina.
Tonga nanatrika nandritra ny fanombohana ny tetikasa Alisota teny Ampitatafika moa ny solontenan’ny Ministeran’ny rano, ny fidiovana ary fanadiovana sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy. Nanatrika izany koa ny ekipan’ny ONG Gret tarihin’ny solontenany eto Madagasikara, sady nanolotra mari-pankasitrahana ny fikambanana Bobaka sy Manao soa manoloana ny asa goavana sahanin’izy ireo. Ny ONG Gret rahateo dia efa niara-niasa hatrany tamin’ny Kaominina Ampitatafika aman-taonany maro. Mandritra ny 5 taona araka izany ny faharetan’ny tetikasa Alisota ary tokantrano manodidina ny 6.000 no hahazo tombony amin’izany. Ny talata 22 desambra no atomboka amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanjombato indray izany tetikasa izany ary amin’ny taona 2021 kosa ny ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930