Madatopinfo

 Flash Info

TAYC : Hanolotra seho goavana eny amin’ny Palais des sports Mahamasina rahariva

TAYC : Hanolotra seho goavana eny amin’ny Palais des sports Mahamasina rahariva

TAYC : Hanolotra seho goavana eny amin’ny Palais des sports Mahamasina rahariva
mars 10
05:30 2023

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly tolakandro ny mpanakanto avy ivelany, Julien Bouadjie fantatra amin’ny anarana amin’ny maha artista hoe : « Tayc » na Take All You Can. Taorian’izay, nanatanteraka tafa ho an’ny mpanao gazety teny Ambodivona i Tayc nitondrany fanazavana mahakasika ny fandaharam-potoanany mandritra ny fandalovany eto an-toerana. Hanome seho goavana, raitra sy miavaka ho an’ny mpankafy azy eto Madagasikara ity mpanakanto vahiny mivoy ny gadona R&B ity ny harivan’ny zoma 10 martsa eny amin’ny Palais des sports Mahamasina. Ity fampisehoana izay tohanan’i Telma Madagascar ity dia hotronon’ny mpanakanto malagasy malaza toa an’i Gael, Shyn sy Denise ary i Rim-Ka, izy ireo izay hanokatra ny seho mialohan’ny hiankaran’i Tayc ny sehatra. Efa nanatanteraka famerenana teny amin’io toerana hanaovana fampisehoana io moa ireo mpanakanto malagasy mba ho seho tsy manampaharoa no hitan’ny mpakafy mandritr fanokafana ny fampisehoana. Ny tapakila kosa dia efa saika tapitra avokoa raha ny nambaran’ny mpikarakara. Isan’ny hahafantaran’ny mpankafy sy tsy hafoizan’ny maro an’i Tayc moa ny hirany toa ny « Il le fallait », « C’est lui », « Comme des folles », « N’y pense plus » sy ny maro hafa. Raha tsiahivina, teraka ny 2 Mey 1996 tany Marseille i Tayc ary niainga tamin’ny fankafizany ny dihy sy tantara an-dapihazo, ny taona 2012 kosa no nanombohany ny mozikany ka lasa mpihira fanta-daza taty aoriana. Tanora no tena mpankafy sy mpanaraka an’i Tayc na eto an-toerana na ny any ivelany. Raha ny mahakasika ny fandaharam-potoanan’i Tayc mialohan’io fampisehoana goavana io kosa, dia hisy ny hetsika ara-tsosialy izay iarahany amin’ny Telma eny amin’ny Akany Faravohitra ny tolakandron’ny zoma 10 martsa hatrany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031