Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIKATROHANA 2022-2023: Notanterahana ny sabotsy lasa teo ny fifidianana eo anivon’ny District 417

TAOM-PIKATROHANA 2022-2023: Notanterahana ny sabotsy lasa teo ny fifidianana eo anivon’ny District 417

TAOM-PIKATROHANA 2022-2023: Notanterahana ny sabotsy lasa teo ny fifidianana eo anivon’ny District 417
mai 09
07:17 2022

Nitohy tamin’ny fifidianana nandraisan’ireo mpizaika anjara nandritra ny « Congrès du District 417 » ny sabotsy 7 Mai lasa teo teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Nambara tamin’ny ofisialy taorian’izany fifidianana izany ny vokatra ka voafidy hitarika mandritra ny taom-pikatrohana 2022-2023 ny Gouverneur du District 417 ny Lions CMJP Gervais Ratovoson Rasolonjatovo. Ny tenany izay nilaza fa hitohy ny asa, raha ny tetikasa akaiky indrindra amin’izany ohatra ny any amin’iny faritra Vakinankaratra iny. Mbola maro ihany koa ny tetikasa izay hotanterahana. Ny Leo Adorée Andrianomenjanahary kosa no voafidy ho Filohan’ny District 417 ho amin’ny fe-potoam-piasana 2022-2023 hatrany. Tsiahivina fa tanora 18 ka hatramin’ny 30 taona no ao amin’ny LEO, ary 30 taona mihoatra kosa no antsoina hoe LION. Toy ny fikambanana rehetra izy ireo, mandoa latsakemboka sy manatanteraka fivoriana fa ny mampiavaka azy ireo kosa dia mifototra amin’ny fanaovana asa soa na amin’ny alalan’ny tolotra ara-panabeazana izany, na fahasalamana, na ihany koa amin’ny lafiny maha olona ho fanasoavana sy fitsimbinana ny mpiara-belona.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031