Madatopinfo

 Flash Info

SEKOLY TSY MIANKINA: Mbola ambany ny taham-pisoratana anarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity

SEKOLY TSY MIANKINA: Mbola ambany ny taham-pisoratana anarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity

SEKOLY TSY MIANKINA: Mbola ambany ny taham-pisoratana anarana amin’ity taom-pianarana vaovao ity
août 05
12:30 2021

Anisan’ny mampitaraina ny ray amandrenin’ny mpianatra amin’izao iray volana tsy ahatongavana amin’ny fidirana izao ny fahalafosan’ny kojakoja rehetra amin’ny fitaovam-pianarana, manginy fotsiny ny fisondrotan’ny saram-pianarana sy ny fisoratana anarana. Vokany, mbola ny 30 isan-jato ihany hatreto ny ray amandreny nanoratra ny anaran’ny zanany raha ny fanadihadiana natao tamina sekoky tsy miankina iray teny Anosibe. Azo lazaina ho nihena lavitra izany raha oharina amin’ny isan-taona amin’izao vanim-potoana fampidirana mpianatra izao. Nisy fiatraikany goavana teo amin’ny lafiny sosialim-bahoaka tokoa mantsy ny hamehana ara-pahasalamana nisesisesy teto amintsika ireny ka nitarika fahaverezan’asa ho an’ny ray amandreny sasany, eo ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana ka mitarika tsy fahampian’ny fidiram-bola ho azy ireo. Manoloana izany fahasahiranana rehetra izany, dia manao antso avo ho an’ny fitondram-panjakana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny sekoly tsy miankina mba hijery akaiky ny tontolon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny. « Vahaolana iray arosonay ao anatin’ny Fikambanan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara ny tokony hametrahan’ny Fitondrana toeram-pivarotana fivaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary isaky ny Fokontany na Kaominina », hoy ny tompon’andraikitry amin’ny sekoly tsy miankina ao Anosibe, Solofomanana Harivelo. Nambarany ihany koa moa fa noho ny fahafohezan’ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe no antony nahatonga io taham-pisoratana ambany dia ambany io, tsy nahafahan’ny ny ray amandrenin’ny mpianatra nanomana ny fidiran’ny mpianatra akory. Miandrandra vahaolana haingana sady maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana araka izany ny ray aman-drenin’ny mpianatra mahakasika izao fahasahiranana mahazo azy ireo izao.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930