Madatopinfo

 Flash Info

SAKOROKA TOAMASINA : Milamindamin-dratsy ny toe-draharaha

SAKOROKA TOAMASINA : Milamindamin-dratsy ny toe-draharaha

SAKOROKA TOAMASINA : Milamindamin-dratsy ny toe-draharaha
juin 05
08:49 2020

Mbola ny fanadihadiana sy ny famotoran’ny mpitandro filaminana no hamaritra ny marina mikasika ny sakoroka tao Toamasina, ny alarobia teo. Raha ny fampintambaovaon’ny mpiandraikitra ny seraseran’ny polisim-pirenena eo amin’ny Foibeny eo Anosy nandritra ny fifampiantsoana an-tariby ny alin’ny alakamisy 4 jiona farany farany teo dia efa milamina ny andavanandron’ny mponina mikasika ny olan’ny tovolahy nampisavorovoro tao amin’ny renivohitry ny Faritra Antsinanana. Ny manampahefana any an-toerana tahaka ny governora sy ny prefe any an-toerana koa efa niantso fitoniana, namaha ny fotoana ivezivezen’ny mpiasa sy ny mpivarotra hatramin’ny 2ora sy sasany raha tamin’iray ora tolakandro teo aloha. Matoa torana ilay tovolahy dia misy antony, heverina fa nitrangana herisetra. Ny vy anefa tsy mikitrana irery ka voalazan’ny namana mpanao gazety Jeannot Ramambazafy ao amin’ny tambazotra sosialy moa fa « araka ny fanadihadiana nataon’ireo sampana misahana ny renseignement rehetra ao amin’ny polisy sy zandary ary miaramila dia mazava fa tovolahy nokaramaina ireo namboly korontana sy torabato ny mpitandro filaminana » Raha ny zavanisy, araka ny voalazan’ny namana mpanao gazety any Toamasina dia  » nohon’ny olona iray avy nividy fanafody no voalazan’ny fa sakanan’ny polisy ka lasa endrika fifamaliana. Tsy nahatanty an’izany ireo Mpitandron’ny filaminana ka nidaroka azy, raha ny loharanombaovao. Hitan’ny vahoaka tao Androroranga sy Anjoma izany ka nahatonga azy ireo nitokona ka niakatra ny arabe ary nanomboka feno vahoaka ny arabe .Tonga ny Polisy iray kamio handrava azy ireo ka nipoaka in’efatra ny baomba  »lacrymogène » fa tsy nampihetsika ny vahoaka izany fa nanantona ihany, hany hery niala ny Polisy ka namonjy ireo namany taty am 4chemins Morarano. Nanomboka teo ny doro kodiarana. Tamin’ny dimy sasany no tonga ny  »renforts » ka nandefa ny baomba mandatsa dranomaso. Nanomboka niparitaka tamin’izay ny olona sady avy koa moa ny orana, nanomboka tamin’ny 6ora sasany vao vaofehy ny zavamisy. Taorian’izay feno mpitandron’ny filaminana ny toearana nisian’ny sakoroka. Marihina moa fa ny toerana mena sy tena natahorana toy ny eny Morarano sy Ambalakisoa dia tsy nihetsika mihitsy ny mponina tany. » Hoy i Joniaina. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana noho izany mikasika ity toe-draharaha ity.
Haja Nirina

Sary : Joniaina, journaliste correspondant et reporter d’images à Toamasina de www.madatopinfo.com

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031