Madatopinfo

 Flash Info

ROTARY CLUB IVANDRY: Nanohana ara-tsakafo ny mpianatry ny EPP Ilafy aman-jatony

ROTARY CLUB IVANDRY: Nanohana ara-tsakafo ny mpianatry ny EPP Ilafy aman-jatony

ROTARY CLUB IVANDRY: Nanohana ara-tsakafo ny mpianatry ny EPP Ilafy aman-jatony
octobre 25
08:45 2020

Iray amin’ireo olana lehibe sedrain’ny mpianatra eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra miankina amin’ny fanjakana (EPP) ny tsy fahampiana ara-tsakafo ka miteraka tsy fahombiazana na hakamoana ho an’ny ankizy miditra an-tsekoly. Izany indrindra no nahatonga ny Rotary Club Antananarivo Ivandry hanampy tosika azy ireny amin’ny alalan’ilay hetsika antsoina hoe: « Resto du coeur – Anil Pala » na fanomezana sakafo ara-pahasalamana maimaim-poana. Ny sabotsy 24 oktobra lasa teo, ny mpianatry ny EPP Ilafy manodidina ny 900 isa no nisitraka izany. Sakafo atoandro mafana sy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana no naroson’ny RCA Ivandry izay notarihan’ny Filohany Larissa Ratsiraka tamin’izany. Tonga nanatevin-daharana nandritra ity hetsika « Resto du cœur » ity ny Masoivoho Suisse eto Madagasikara, M. Chasper Sarott sy ny delegasiona maromaro mpikambana ao amin’ny Rotary Club Ivandry. Ankoatra izay, nifanindry an-dalana tamin’ny fanamarihana ny andro manerantany hiadiana amin’ny lefakozatra na « Poliomyélite » io sabotsy 24 oktobra io ary ho fiaraha-mientana tamin’izany dia nanao fanamiana miloko mena avokoa ny mpikarakara.

Tsiahivina, manatanteraka hetsika eny anivon’ny EPP isan-karazany isam-bolana ny RCA Ivandry toy ny fanomezana sakafo mifanaraka amin’ny filàn’ny ankizy, eo koa ny fizarana fitaovam-pianarana isan-karazany sy ny maro hafa. « Nahitam-bokany ny ezaka vita raha ny tamin’ny taom-pianarana teo aloha iny satria nihanitombo ny tahan’ny mpianatra afaka fanadinam-panjakana CEPE tamin’ireo sekoly notohanan’ny Rotary Club Ivandry », hoy ny Filoha lefitry ny fikambanana, Bakoly Rabezanahary. Mbola hitohy hatrany araka izany ny hetsika hotanterahan’ity fikambanana ity ho fanasoavana ny mpiara-belona indrindra ireo olona sahirana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930