Madatopinfo

 Flash Info

RADIO FANAMBARANA: Nankalazaina teny amin’ny Coliseum ny famaranana ny faha-25 taonany

RADIO FANAMBARANA: Nankalazaina teny amin’ny Coliseum ny famaranana ny faha-25 taonany

RADIO FANAMBARANA: Nankalazaina teny amin’ny Coliseum ny famaranana ny faha-25 taonany
janvier 09
06:18 2023

Efa mahenika manerana ny Nosy hatrany ampitan-dranomasina toy ny any Israely, Etazonia, Canada, Rosia, Chine, Allemagne, Eôropa ny Radio Fanambarana (RFA). Vahoaka aman’hetsiny no efa nisitraka tombotsoa amin’ny maha onjapeo fitezana ara-pilazantsara azy, maro ny olona sitrana sy afak’olana amam-pahasahiranana tamin’ny alalan’ny fanarahana ny RFA nandritra izay taona maro nijoroany izay. « Isan’ny vokatra azo nandritra ny 25 taona nitsanganan’ny Radio Fanambarana ny nahazoan’ny faritany 6 miampy 14 ny onjapeo, misy ihany koa ny fahitalavitra iray. Ankoatra izay, nahavita fotodrafitrasa lehibe iray eny atsimon’i Rova ho tsangambatom-pahatsiarovana izao 25 taona izao ny RFA, trano ahitana rihana 4 misy efitra 18 izay notokanana ny zoma 6 janoary lasa teo », hoy i Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné, Filoha sady mpanorina ny fiangonana Apokalypsy. Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety no nanamafisan’i Pasteur Mailhol fa tamin’ny alalan’ny fahafolon-karena no nahafahana nanangana ity fotodrafitrasa goavana ity sy nividianana ireo « émetteurs » manerana ny onjapeo rehetra. Misokatra ho an’ny olona rehetra moa ny RFA amin’ny alalan’ny fandaharana isan-karazany handraisan’ny mpihaino anjara, misy ihany koa ny fampahalalam-baovao iarahana amin’ireo mpanao gazety matihanina, ary tsy diso anjara fitoriana ny filazantsara.
Nomarihana tamin’ny fotoam-bavaka teny amin’ny Coliseum ny sabata 7 janoary lasa teo ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy ny famaranana ny faha-25 taona’ny RFA, nanatrika izany ny solontena isam-paritra sy ny mpino ary ny fianakaviamben’ny fiangonana Apokalypsy. Tsiahivina fa ny taona 1997 no niorina ny Radio Fanambarana.

Tontolo politika sy ny fiangonana Apokalypsy

Mbola ho mafy noho ny tamin’ny taon-dasa ny toe-draharaha politika sy ny lafiny ara-bola amin’ity taona 2023 ity maneran-tany raha ny faminaniana vaovao nambaran’i Pasteur Mailhol.
Raha ny fahitany ny raharaham-pifidianana indray kosa, dia nilaza izy fa mbola tsy namoaka datim-pifidianana ofisialy ny fitondram-panjakana hatramin’izao ka andrasana hatramin’ny volana martsa izany fanambarana izany. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vola hanatanterahana ny fifidianana, raha izay no mitranga dia sarotra inoana ny hisian’ny fifidianana, hoy hatrany i Pasteur Mailhol. Irarian’ity mpitarika ny fiangonana Apokalypsy ity araka izany ny hanatanterahana fifidianana mirindra sy tomombana ary mba tsy hotonga amin’ny fitondrana tetezamita velively. Voalazany koa fa mila mifanaraka sy mifampidinika ny mpanao politika hijery vahaolana hisorohana ny mety ho krizy eto amin’ny firenena. Nohamafisiny hatrany fa rehefa voafaritra mazava ny datim-pifidianana vao handray fanapahan-kevitra amin’ny handrotsahana kandida ny antoko politika tarihany.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930