Madatopinfo

 Flash Info

POESAM ANDIANY FAHA-10: Ny tetikasa « Andao share » no nitàna ny laharana voalohany teo amin’ny dingana nasionaly

POESAM ANDIANY FAHA-10: Ny tetikasa « Andao share » no nitàna ny laharana voalohany teo amin’ny dingana nasionaly

POESAM ANDIANY FAHA-10: Ny tetikasa « Andao share » no nitàna ny laharana voalohany teo amin’ny dingana nasionaly
juin 20
08:15 2021

Manerana an’i Afrika no hanatanterahana ny fifaninana tetikasa izay karakarain’ny Orange nampitondraina ny anarana hoe: Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient na POESAM. Raha ny teto Madagasikara manokana, efa nisy nandritra ny 10 taona izay ny POESAM ary nampahafantarina ny zoma 18 Jona lasa teo teny Ankorondrano ireo nahazo ny loka tamin’ity fifaninana tetikasa POESAM andiany faha-10 ity. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany ny tetikasa « Andao share » ka notolorana vola mitentina 2.500.000 ariary, ny faharoa kosa ny « Healthia » izay nahazo 2.000.000 ariary ary ny laharana fahatelo ny tetikasa « Mapwess », nahazo 1.500.000 ariary. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny atao hoe: « Prix féminin » izay azon’ny Alt Soap ary ny Rem’aide kosa no nahazo ny « Prix coup de coeur Covid-19 ». Isan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Orange Madagascar amin’ity fifaninana tetikasa POESAM ity ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) izay nohamafisin’ny roa tonta tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa. Eo ihany koa ny Hakoragna, Kentia, Ymagoo ary ny FBooknews. Raha ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny fifaninana, dia misy dingana 2 lehibe hatrany ny fifaninana andiany faha-11 amin’ity taona 2021 ity: ny dingana nasionaly izay tanterahana hatramin’ny volana Aogositra 2021 ka ny 3 voalohany tafakatra dia hiatrika ny dingana faharoa na ny dingana iraisampirenena izany ary hatao ny volana Septambra 2021. Araka ny fampahafantarana hatrany, ny loka azon’ny tetikasa voalohany amin’ny dingana iraisampirenena dia vola manodidina ny 20.000 euro.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930