Madatopinfo

 Flash Info

PFSCE : Namolavola boky mirakitra ny tatitra ny zon’ny ankizy malagasy amin’ny ankapobeny

PFSCE : Namolavola boky mirakitra ny tatitra ny zon’ny ankizy malagasy amin’ny ankapobeny

PFSCE : Namolavola boky mirakitra ny tatitra ny zon’ny ankizy malagasy amin’ny ankapobeny
mai 12
04:35 2022

Manodidina ny 74 isan-jato ny mponina 25 tapitrisa eto Madagasikara no miaina ao anaty fahantrana raha ny tatitry ny fanadihadiana MICS farany izay nivoaka. Miteraka tranga maro anefa io fahantrana io tahaka ny tsy fahafahan’ny ankizy mianatra, ny fahasahiranan’ny tokantrano ka tandindomin-doza ny ho avin’ny zaza, ny herisetra noho ny tsy fananam-bola. Nisy araka izany ny tatitra izay notanterahan’ny Fiarahamonim-pirenena hampahafantarana ireo mpisehatra rehetra mikasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Teny amin’ny Motel Anosy no namoahana sy nampahafantarana ity tatitra ity ny talata 10 May lasa teo. Nofintinina tamin’ny alalan’ny boky ahitana pejy 29 kosa no nandraketana izany izay ahitana lohahevitra 13. « Tanjona ny nandraisana soson-kevitra avy amin’ny OSC hanatsarana ny fisitrahan’ny ankizy ny zony ara-dalàna eto Madagasikara isan’izany ny tokony hanamafisina sy hanetsehana ny komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny ankizy », hoy i Irène Razafindranovona, avy amin’ny Plate Forme Société Civile pour l’Enfance (PFSCE). Voaresaka nandritra io tatitra io ny tokony handraisana fepetra haingana tahaka ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty, eo ihany koa ny fanatsarana sy fanampiana isa ny fitaovana sy ny fotodrafitrasaara-panabeazaba, ny ady amin’ny herisetra. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana araka izany ny Fiarahamonim-pirenena misehatra momba ny zon’ny ankizy, mba hiroso tsy ho ela amin’ny fanatanterahana ireo soson-kevitra natolotra ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny ankizy.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031