Madatopinfo

 Flash Info

ORINASA STAR: Jifaina amin’ny vidiny tokana 3.000 ariary manerana ny Nosy ny THB 65cl

ORINASA STAR: Jifaina amin’ny vidiny tokana 3.000 ariary manerana ny Nosy ny THB 65cl

ORINASA STAR: Jifaina amin’ny vidiny tokana 3.000 ariary manerana ny Nosy ny THB 65cl
juillet 04
11:30 2020

Taorian’ny fandanian’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny fanitsiana ny hetra ho an’ny labiera dia tsy niandry ela fa nampidina avy hatrany ny vidin’ny zava-pisotro « THB » amin’ny tavoahangy 65cl ho 3.000 ariary ny orinasa Star. Marihana fa Solombavambahoaka 94 tamin’ireo 103 nifidy ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola nasiam-panovana na « Projet de Loi de finances rectificatives 2020 » tamin’izany. Ho fanomezana ny fahafaham-po ho an’ny mpankafy ny vokatra Star hatramin’izay indrindra ny zava-pisotro fantan-daza THB dia nihatra manerana ny Nosy ity vidiny tokana 3.000 ariary ity. Ireo toeram-pivarotana rehetra misy ny masoivoho Star araka izany dia ahafahana misitraka io fihenam-bidy io avokoa. Hatramin’izay taona maro nisian’ny vokatra THB teto amintsika izay tokoa mantsy dia tsy mitsaha-mikatsaka ny fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa sy ny mpankafy azy hatrany ny orinasa Star. Ny tsirony kosa dia tsy miova fa toy ny nankafizan’ny mpanjifa azy hatramin’izay ihany. Raha vao tsy ela akory izay mantsy no nanovana ny fonosana amin’ny tavoahangy THB rehetra ny orinasa ho mariky ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, izao indray dia misy ny fihenam-bidy goavana ny THB 65cl. Midika izany fa tsy ataon’ity orinasa ity ambanin-javatra velively ny mpanjifa ao aminy. Nanamafy izany indrindra ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Star, Seheno Randriambolamanana amin’ny hoe: « laharam-pahamehana ho an’ny STAR ny mitsinjo ny fahefam-bidin’ny Malagasy indrindra amin’izao toe-java-misy izao. Ny ambom-po pirenena dia azo tarafina amin’ny fanjifana ny Vita Malagasy ihany koa. Ny hampiray ny Malagasy no tanjona amin’ireo fepetra vaovao nampiharinay ireo ka ny ahafahan’ny tsirairay mankalaza ny fahaleovantenan’ny firenena no tarigetra ». Ankoatra izay moa dia fantatra ihany koa izao fa ny vokatra Star rehetra manomboka izao dia hanana ny vidiny tokana manerana ny Nosy ary afaka manjifa ny vokatra Star amin’io vidiny tokana io avokoa ny Malagasy rehetra na ireo avy any Antsiranana na ireo avy any Tôlagnaro na ireo avy eto Antananarivo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930