Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SOLIDARITÉ: Nampifalifaly ireo fianakaviana marefo sy ankizy maherin’ny 1 000

ORANGE SOLIDARITÉ: Nampifalifaly ireo fianakaviana marefo sy ankizy maherin’ny 1 000

ORANGE SOLIDARITÉ: Nampifalifaly ireo fianakaviana marefo sy ankizy maherin’ny 1 000
décembre 21
06:21 2020

Noely miavaka, io no azo hamintinana ny fihetseham-pon’ireo ankizy sy fianakaviana sahirana nisitraka fanomezana maro isan-karazany avy amin’ny mpiasan’ny Orange Madagascar mpilatsaka an-tsitrapo tamin’ny alalan’ny « Orange Solidarité Noël ». Notanterahina teny amin’ny Tour Ankorondrano ny sabotsy 19 desambra lasa teo ity hetsika goavana fanaony isan-taona rehefa alohan’ny fetin’ny Noely sy ny famaranana ny taona ity. Nandritra izany, fomba maro no nentin’ny fianakaviamben’ny Orange Solidarité tarihin’ny Filohany, Josie Randriambeloma nanamarihana io hetsika izay teo ambany fiahian’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina io. Raha ho an’ireo fianakaviana marefo 350 ao anatin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana sy Ankorondrano Andranomahery, notolorana fanomezana toy ny vary sy siramamy, labozia ary savony izy ireo; ankizy maherin’ny 400 isa kosa nahazo vatomamy sy bisky. Tsy nanadino ireo fikambanana sy sekoky mpiara-miasa aminy ihany koa ny Orange Solidarité Madagascar nandritra izany, ankizy manodidina ny 200 isa no nahazo vatomamy, boky, kilalao. Anisan’izany ny Centre Fazako, ny sekoly natokana ho an’ny marenina eto Madagasikara, ny SOS Village d’Enfant, ny EPP Maibahoaka ary ny Compassion Madagascar. Teo ihany koa i Dadabe Noely, ny fampisehoana sy mazia ary fanentanana miavaka nampifaliana ny rehetra. Ho mari-pisaorana ny ekipan’ny Orange Solidarité dia nanolotra dihy sy hira mahafinaritra sady mifandraika amin’ny krismasy ireo ankizy ireo. Tonga nanatrika izany teny an-toerana moa ny Ben’ny Tanàna Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina sy ny solontenan’ny Fikambanana Fitia.
Ankoatra ny teto Antananarivo, nandray anjara tamin’ny « Orange Solidarité Noël » ihany koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Orange Madagascar any amin’ny Faritra, nizara fanomezana ho an’ny sekoly Sainte Famille Sambava, Orchidée vanille Antalaha, CHU Antambohobe Fianarantsoa.
Fianakaviana sahirana sy ankizy maherin’ny 1 000 araka izany no nahazo tombony tamin’ity andiany 2020 ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930