Madatopinfo

 Flash Info

ONG MERCI TSIADANA : Adidisika, serasera, fanentanana ary fifehezana ny lalanan’ny zon’ny sembana no iompanan’ny fiofanana

ONG MERCI TSIADANA : Adidisika, serasera, fanentanana ary fifehezana ny lalanan’ny zon’ny sembana no iompanan’ny fiofanana

ONG MERCI TSIADANA : Adidisika, serasera, fanentanana ary fifehezana ny lalanan’ny zon’ny sembana no iompanan’ny fiofanana
juin 21
13:59 2021

Niainga avy amin’ny fakan-kevitr’ireo manana fahasembanana ny lohahevitra amina fampiofanana toy izao. Hoy i Holy na Holiniaina Rakotoarisoa, Filoha mpanorina sady mpitarika ny ONG Merci, raha nitafa tamin’ny Mpanao gazetinay teo Tsiadana, ny alatsinainy 21 Jiona teo. Nanamafy an’izany ny mpizaika iray avy eny Talatamaty fa « mavitrika tokoa amin’ny fampiofanana toy izao. Izahay manana fahasembanana na ny fikambanana mihitsy mantsy no niangavy ny ONG Merci. » Hoy i Jean Noël Randrianarimanana, Filohan’ny Association du groupement des personnes handicapées de Talatamaty na AGrPHT.
Anisan’ny tombotsoa tamin’ny fiarahan’izy ireo niasa tamin’ity ONG Merci ity ny nahafahany nanangana ny fikambanany ara-panjakana ny 28 oktobra tamin’ny taon-dasa raha efa nanomboka niorina ny AGrPHT ny taona 2019. Volazan’ity raim-pianakaviana ity moa fa vonona ho mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana izy ireo amin’izao fampiofanana mikasika ny adisisika atrehan’izy ireo izao eny amin’ny espace Dera Tsiadana. Faniriana lalina ho azy ireo hatrany ny fanajana ny zon’ny olombelona, ny fampitovizana ireo manana fahasembanana amin’ny hafa amin’ny seha-piainana maro tahaka ny fianarana, ny asa, ny fifanintsanana na fifaninana. Ity farany moa na mitondra tehina roa aza dia nambarany fa mpikambana anatin’ny fanatanjahantena taranja baskety.
Tsy misy valaka amin’izay koa ny fampitam-baovao azo avy amin’i Rindra Alice Herivololonarivo izay manana fahasembanana tanteraka ara-pahitana. “Azonay antoka fa hanampy anay fikambanana avy ao Ambohijanaka ny ONG Merci amin’ny ho fananganana ara-panjakana ny fikambanana misy anay. Sitrahanay tanteraka ny fampiofanana sy ny adisisika izay atolony anay. Hetahetanay lalina ao amponay ny fampitoviana anay amin’ny olona rehetra”. Ity tovovavy ity izay nahiratra talohan’ny fahatelo taonany fa jamba tanteraka kosa nanomboka ny faha-4 taonany hatramin’izao fotoana izao. Volazany moa fa fahatarana tamin’ny fitsaboana noho ny aretina nianjady azy no nahasimba tanteraka ny masony.
Ankoatra ny adisisika, anisan’ny tanjon’ny fampiofanana an’ireo manana fahasembanana, ny fanatevenana ny fifehezana ny serasera sy ny fanentanana ho amin’izany adidisika izany ary ho amin’ny zon’izy ireo. Ny fampitomboana fahalalana mikasika ny lalàna velona eto an-tanana sy ireo any ivelany ihany koa tafiditra anaty lahadinika amin’izao fiofanana eny Tsiadana mandritra ny roa andro Alatsinainy 21 sy Talata 22 Jiona izao.
Sary : Ireo santionany amin’ny mpiofana teny amin’ny Espace Dera Tsiadana izay mifantoka sady mandray anjara mavitrika amin’ny adihevitra.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930