Madatopinfo

 Flash Info

ONG MERCI SY AEA : Dibokafaliana ireo kilonga maro teny Tsiadana

ONG MERCI SY AEA : Dibokafaliana ireo kilonga maro teny Tsiadana

ONG MERCI SY AEA : Dibokafaliana ireo kilonga maro teny Tsiadana
juin 30
13:32 2021

Faly! Io avokoa no teny heno raha niloa-bava ireo ankizy, na ireo iray tampoha, indrindra moa ny ray aman-drenin’ireo kilonga manana fahasembanana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay. “Mitovy amin’ny olona rehetra ihany ny zanakay na manana fahasembanana aza amin’izao iray volan’ny ankizy sy fetim-pirenena izao. Misakafo hanim-pitoloha sy mifety amin’ny toerana avo lenta tahaka izao ety Tsiadana izao. Mbola mahazo kilalao ihany koa ankoatra izany lanonam-be izany”. Hoy ny renim-pianakaviana iray izay tojo ny mpaka vaovaonay.
Nantanteraka fizarana kilalao ho an’ny ankizy maro mantsy ny ONG Merci, ny alakamisy 24 jiona 2021 teo. Tao amin’ny efitrano filanonan’ny “Espace Dera” Tsiadana no natao izany. Ankoatra ny fizarana kilalao amin’izao iray volan’ny ankizy izao dia nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo sy lanonana tahaka ny hira sy dihy. Nanisy tsindrim-peo ihany koa i Holiniaina Rakotoarisoa, Filoha mpanorina ny ONG Merci fa nezahan’izy ireo nampifanindriana andalana ny mahasoa sy ny mahafinaritra : “Ankoatra ireo fialamboly voalaza etsy ambony ireo, anisan’ny endriky ny fampitana fahalalana sy fitsapam-pahaizana ny fifaninanana mamaly fanontaniana. Tsikaritray ho tafita ihany koa ny fitsinjovana manokana ny zon’ny manana fahasembanana. Tsy vitsy tamin’ireo ankizy manana fahasembanana mantsy no notantanan’ireo hafa tahaka ireo namonjy efitrano fidiovana.”
Volazan’ny mpiandraikitra sy mpandrindra ny tetikasan’ny ny Association Enfants Antananarivo na AEA, Marie Christine Heriniaina fa mitohy hatrany ny fiarahamiasan’izy ireo amin’ity fikambanana mpanao tetikasa tsy miankina amin’ny Fanjakana ity. Mbola hahazo vahana izany fampilalaovana ny ankizin’ny ONG Merci sy AEA izany ny asabotsy 3 Jolay izao, etsy amin’ny toerampiasan’ny AEA, amin’ny faritra 67ha atsimo. Tsahivina moa fa ny faran’ny herinandron’ny 19 Jiona teo no notanterahana ny fampilalaovana ireo ankizy andiany voalohany.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930