Madatopinfo

 Flash Info

MINSANP: Hetsika niavaka no nanamarihana ofisialy ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana

MINSANP: Hetsika niavaka no nanamarihana ofisialy ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana

MINSANP: Hetsika niavaka no nanamarihana ofisialy ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana
avril 08
06:30 2022

Zo fototra ho an’ny olombelona ny fahasalamana no sady antoky ny fampandrosoana. Velirano fahadimy Filoham-pirenena ihany koa ny fahasalamana ho an’ny rehetra, tsy hanavahana sokajin-taona ary tafiditra anaty politika ankapobeny ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fisorohana ireo karazana aretina rehetra. Hahatrarana ny tanjona, tsy mitsahatra mampiroborobo ny sehatry ny fahasalamana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (MinSanP). I Madagasikara rahateo isan-taona dia mankalaza ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana ka ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona 2022 ity ny hoe : « Antoka ny fahasalamana ny Tany honenantsika ». Teny amin’ny Parking Ravinala, Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatajahantena Mahamasina no nanatanterahana ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy izany ny alakamisy 7 aprily raha samy nankalaza izany avokoa ny isam-paritra. Nambaran’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny MinSanP, Dokotera Lethicia Lydia Yasmine izay nisolontena ny ministra teny an-toerana ny hoe : « fotoana iray ahafahana manasongadina sy manaporofo fa ny tany honenantsika no tontolo mamaritra sady manome ireo singa sy tolotra omen’ny natiora ahafahantsika miaina ». Fantatra fa mitarika fahavoazana eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fahasimban’ny tany sy ny tontolo iainana, isan’izany ny mahatonga trangan’aretina isan-karazany, ary indrindra koa mampitombo ny taha-pahafatesana aloha loatra. Araka ny atontan’isa manerantany mahakasika ny fahasalamana mantsy, nahafaty olona manodidina ny 7 tapitrisa ny fahalotoan’ny rivotra tamin’ny taona 2014 ka ny aretin’ny fo sy ny taova-pisefoana no voasokajy antony niteraka izany fahafatesana izany. Araka ny tombana, anelanelan’ny 2030 sy 2050 dia hahafaty olona hatramin’ny 250.000 ny fiovaovan’ny toetr’andro. Raha ny tatitra voaray ho an’i Madagasikara manokana tamin’ny taona 2018, fantatra fa isika no firenena faha efatra aty Afrika nahitana trangam-pahafatesana be indrindra vokatry ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Isan’ny andro nahafahan’ny vahoaka nifanerasera tamin’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana araka izany ity fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana ity ary nahafahan’izy ireo nisitraka tolotra ara-pahasalamana mamaim-poana nandritra ny tontolo andro. Nisy ihany koa fizahana, fitiliana, fitsaboana, fanaovana vaksiny fanefitry ny Coronavirus nandritra ny hetsika. Tranoheva maro rahateo no nandray anjara nandritra ity hetsika ara-pahasalamana ity. Ankoatra izay, nahitana fanentanana isan-karazany nandritra ny hetsika toy ny fampisehoana niarahana tamin’ireo artista malagasy. Nanatrika ity fotoana ity moa ny avy amin’ny fianakaviamben’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy tahaka ny banky BNI Madagascar, teo ihany koa solontenan’ny ministera isan-tsokajiny, ny Solontena maharitry ny OMS sy ny UNICEF miasa eto Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031