Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

MIAHY JOVENA: Nohavaozina ny departemanta Gastro-entérologie ao amin’ny HJRB

MIAHY JOVENA: Nohavaozina ny departemanta Gastro-entérologie ao amin’ny HJRB

MIAHY JOVENA: Nohavaozina ny departemanta Gastro-entérologie ao amin’ny HJRB
décembre 11
05:30 2020

Marary maherin’ny 120 isam-bolana no miditra ao amin’ny departemanta Gastro-entérologie eo anivon’ny Hopital Joseph Raseta Befelatanana izay tarihin’i Profesora Rado Ramanampamonjy. Nisedra olana anefa ity departemanta ity noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampian’ny fitaovana sasany ka nahatonga ny marary tsy voakarakara araka ny tokony ho izy. Ny aretin’ny fandevonan-kanina koa etsy andaniny no aretina faharoa mampiditra hopitaly eto Madagasikara. Manoloana izany indrindra no nahatonga ny fandaharanasa Miahy Jovena nanao ny asa fanarenana ny efitranon’ny marary: ny fandokoana, ny fametrahana ny fantson-drano, ny fanavaozana ny efitrano fidiovana, ny varavarambe sy varavarakely miampy lay misy odimoka, ary ihany koa ny fanatsarana ny lafiny herinaratra. Mitotaly 14 ireo efitranon’ny marary nasiam-panavaozana tamin’izany ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 9 desambra lasa teo. Tonga nanatrika izany lanonam-pitokanana izany ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, Profesora Jean Claude Razafimahandry; ny talen’ny HJRB, Profofesora Mamy Randria; teo ihany koa ny Lehiben’ny Sampan-draharaha Gastro-entérologie ao amin’ny HJRB, Profesora Rado Ramanampamonjy; ny talen’ny Human Resources an’ny orinasa Jovena, Ramatoa Noro Rajaonera; ny Directeur Exécutif-Fondation Axian, Ramatoa Isabelle Salabert. Nanatrika io fotoana io ihany koa ireo solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny departemanta Gastro-entérologie HJRB.
Ny Fondation Axian moa no misahana ny fandaharanasa Miahy Jovena, ny orinasa Jovena ao amin’ny Vondrona Axian kosa no mpamatsy vola. Efa nitondra ny anjara birikiny tamin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika ny Miahy Jovena indrindra tamin’ny vanim-potoana niparitahan’izany ny volana Jolay lasa teo. Nanolotra fitaovana maro manaraka ny fenitra takiana ara-pahasalamana ny Miahy Jovena nandritra izany. Ny tanjon’ny Miahy Jovena mantsy dia mikendry ny hanamora ny fidiran’ny vahoaka marefo ao amin’ny hopitaly amin’ny alalan’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra fikarakarana ny marary sy ny fanavaozana na fanarenana ny toeram-pitsaboana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930