Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIROBOROBOANA NY FANATANJAHANTENA: Tanora 35 no hahazo tombony amin’ny alalan’ny M’hetsika Mvola

FAMPIROBOROBOANA NY FANATANJAHANTENA: Tanora 35 no hahazo tombony amin’ny alalan’ny M’hetsika Mvola

FAMPIROBOROBOANA NY FANATANJAHANTENA: Tanora 35 no hahazo tombony amin’ny alalan’ny M’hetsika Mvola
décembre 28
06:10 2020

Maro tokoa ny tanora no liana amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Isan’ny sakana ho azy ireny anefa ny tsy fananana traikefa noho ny tsy fahampiana na koa tsy fisian’ny fiofanana mifandraika amin’izany. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana, manampy betsaka ny tanora avy amin’ny fianakaviana marefo ny fisian’ny fandaharan’asa M’hetsika Mvola amin’ny alalan’ny fampiofanana tanora. Miisa 35 ireo voafantina teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra hiatrika izany. Tontosa ny 21 sy 22 desambra lasa teo ny andiany voalohany izay nanatanterahana ny « théorie ». Niompana momba ny fanentanana ara-panatanjahantena sy ny « arbitrage » ny fiofanana nandritra ireo roa andro ireo ary noresahana ny toeran’ny fanatanjahantena eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fifandraisan’ny fanatanjahanteba amin’ny fanabeazana sy fampandrosoana. Ny tapany faharoa izay hanatontosana ny fiofanana fampiharana kosa dia hatao ny volana Janoary 2021 ary haharitra 4 andro. Lohahevitra mandritra izany ny fanetsiketseham-batana eny amin’ny natiora, acquagym, cardio, musculation ary ny torolalana momba ny fanentanana ara-panatanjahantena.
Aorian’ireo fiofanana matihanina indroa miantaona ireo dia hotolorana mari-pankasitrahana tsirairay ireo tanora 35 niatrika izany ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny sehatry ny fanentanana ara-panatanjahantena sy ny fitsaran-dalao eto amintsika. Tsiahivina moa fa ny volana Novambra 2020 no nanaovana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny CUA momba ny hanatanterahana ny fandaharan’asa M’hetsika Mvola izay tohan’ny Mvola an’ny Vondrona Axian. Izany fandaharan’asa izany moa dia mikendry ny hampiroboroboana hatrany ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny tanora eny amin’ny faritra sahirana eto Antananarivo renivohitra.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930