M’BALIK SY UNFPA: Miara-misalahy amin’ny fitsinjovana ireo vehivavy miatrika fiterahana eny anivon’ny CSB II

Ho fanampiana ny vehivavy miatrika fiterahana sy manara-maso ny toe-pahasalamany amin’ny ora sy andro rehetra, miara-miasa ny Yas Madagascar amin’ny alalan’ny M’Balik sy ny UNFPA (Fonds des Nations Unies pour la Population). Notanterahina ny alarobia 18 desambra lasa teo teny Andraharo ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, ny Tale Jeneralin’ny Yas Patrick Pisal Hamida sy ny solontenan’ny UNFPA. Voarakitr’io fifanarahana io ny fizarana vokatra M’Balik eny anivon’ny tobi-pahasalamana ho fiarovana sy fitsinjovana ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka sy hiatrika fiterahana. » Faritra vitsivitsy aloha no anombohana ny fitsinjarana izany. Amin’ny taona 2025, CSB II miisa 200 no hopitaly hisitraka io vokatra M’Balik io raha hiampy 100 kosa izany amin’ny taona 2026. Ny UNFPA no hisahana ny fitsinjarana ireo kits ireo« , hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny UNFPA. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo vokatra M’Balik hozaraina ireo, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Yas, Santanirina Ramanantoanina, ahafahana manazava efitrano 4 eny amin’ny toeram-pitsaboana izany tahaka ny efitrano fiterahana, fandraisana marary sy biraon’ny mpitsabo. Afaka apetraka eny ivelany ihany koa mba hanazava ny manodidina ny toerana, araka ny fanampim-panazavany hatrany. Isan’ny Faritra hisitraka izany i Vatovavy sy Fitovinany, Androy sy Anôsy ary ireo CSB manodidina ny tanan-dehibe. Ahitana lampes tubulaires miisa 4, détecteur de mouvement iray, boîtier de contrôle miaraka amin’ny port USB sy câble de recharge iray, panneau solaire 15W iray sy kojakoja mifanaraka ny filàn’ny ivon-toeram-pitsaboana ny kits tsirairay. Ny ekipa ara-teknika eo anivon’ny Mbalik araka izany no hiandraikitra ny fametrahana izany sy ny fanofanana ny mpiasan’ny CSBII mikasika ny fampiasana ny fitaovana.
M.R