Madatopinfo

 Flash Info

MADAGASCAR ORCHESTRA: Hanomboka ny zoma 17 septambra ho avy izao ny taom-pitendrena 2021

MADAGASCAR ORCHESTRA: Hanomboka ny zoma 17 septambra ho avy izao ny taom-pitendrena 2021

MADAGASCAR ORCHESTRA: Hanomboka ny zoma 17 septambra ho avy izao ny taom-pitendrena 2021
août 02
06:52 2021

Ho fampiroboroboana ny mozika klasika eto amintsika, dia manomana kaonseritra ho an’ny mpankafy izany ny Madagascar Orchestra. Am-polony ny kaonseritra hotanterahin’ity fikambanana ity mandrapahatapitry ny taona 2021. Noho ny olana ara-pahasalamana izay niseho teto amin’ny firenena anefa dia voatery nahemotra ny volana septambra ho avy io ny taom-pitendrena 2021 ho an’ny Madagascar Orchestra, izay nokasaina notanterahana ny volana marsa lasa teo. Ny zoma 17 septambra ho avy izao eny amin’ny Carlton Madagascar no hanombohana izany taom-pitendrena izany amin’ity taona ity araka ny fampahafantarana notanterahan’izy ireo teny Anosy ny zoma lasa teo. Hampiavaka ity kaonseritra ity ny fampisehoana arahina fiaraha-misakafo. Manodidina ny haitao ara-tsakafo, dihy, literatiora miampy mozika araka izany no hiseho amin’io fotoana io. Raha ny nambaran’ny mpikambana ao anatin’ny Madagascar Orchestra dia efa amam-bolana maro no nanomanana ny kaonseritra ho fanomezana fahafaham-po ny olona. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny tapakila raha ny fanazavana hatrany. Tsiahivina moa fa ny Madagascar Orchestra dia fikambanana iray ahitana mpitendry zavamaneno sy mpanao mozika ary olon-tsotra misehatra eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagascar. Ny fikambanana dia mikatsaka hatrany ny kalitao lafatra ho an’ny zavakanto, indrindra ny mozika, amin’ny alalan’ny asa voakaly, mitohy sy maharitra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930