Madatopinfo

 Flash Info

LISITRY NY MPIFIDY: Nanomboka ny 1 oktobra teo ny fanavaozana tanteraka

LISITRY NY MPIFIDY: Nanomboka ny 1 oktobra teo ny fanavaozana tanteraka

LISITRY NY MPIFIDY: Nanomboka ny 1 oktobra teo ny fanavaozana tanteraka
octobre 03
06:34 2022

Manan-danja goavana eo amin’ny fisitrahan’ny olompirenena ny zony ny fisoratana anarana mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Ny sabotsy 1 oktobra lasa teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy izany manerana ny Madagasikara. Hetsika maro no nentin’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana nanamarika izany, niatomboka tamin’ny fidinana ifotony teny amin’ny Boriborintany fahadimy ny izay notarihan’ny Filohan’CENI, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène. Nanamafy ny toromarika efa nozaraina nandritra ny fiofanana ho an’ireo mpanisa mpifidy ny Filohan’ny CENI. Hentitra ny tenany ary koa nankahery ireo « agents recenseurs » amin’ny adidy masina iandraketan’izy ireo. Hisy famantarana manokana moa ireo mpanisa mpifidy mitety isan-tokantrano ireo, mitondra « badge » sy manao fanamiana avy amin’ny CENI. Mitondra karne ahitana takelaka fanisana mpifidy ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fidinana ifotony, nisy ihany ko ny fanentanana isan-karazany toy ny fiara nanao tomban-davana niarahana tamin’ireo tompon’andraikitry ny CENI nandritra ity fanombohana ny fanavaozana tanteraka ny listry ny mpifidy ity. Teo ihany koa ny fampisehoana sy fampahafantarana teny amin’ny Parvis Analakely. Marihana fa miisa 5000 ireo mpanisa ny mpifidy hahetsika mandritra ity fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ity.

M.R

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031