Madatopinfo

 Flash Info
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...
  • AGENCE RCA 038.33.633.77 RECRUTEMENT : Mitady Lehilahy tantsaha hiasa any amin’ny faritra TSENA TRANO TANY AHOFA na AMIDY  Ahofa TSENA sy trano efitra 2, douche, wc,Ikianja Ambohimangakely 200.000 ariary  TSENA 1...

JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA: “Tandindomin-doza indray ny sosialim-bahoaka noho ny covid-19”

JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA: “Tandindomin-doza indray ny sosialim-bahoaka noho ny covid-19”

JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA: “Tandindomin-doza indray ny sosialim-bahoaka noho ny covid-19”
novembre 16
15:30 2021

Niteraka fiantraikany goavana manerana ny firenena maro ny valaretina Coronavirus, isan’izany isika teto Madagasikara. Tsikaritra somary goragora anefa ny fepetra hiadiana amin’ity areti-mandoza ity eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra, manaitra ny olompirenena tsy ankanavaka ny FITRAMA (Fitsaboana Tradisionela Malagasy) ny amin’ny hijerena ireo lesoka nahatonga my fiparitahan’izany teo aloha. “Nandray anjara sy nanampy betsaka tamin’ny fandalovan’ny Covid-19 teto Madagasikara ny fitsaboana netim-paharazana ka tsy azo tsinontsinoavina. Vahaolana mahomby iadiana amin’ity aretina ity araka izany ny fampiakarana ny hery fiarovana amin’ny alalan’ireo vokatra natoraly sy ny fihanana sakafo ara-pahasalamana voajanahary”, hoy i Jean Nirina Rafanomezantsoa, Filohan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA. Isan’ny vahaolana aroson’izy ireo ihany koa ny tokony hijerena ny vata fampangatsiahana, ny ankamaroan’ny olona mararin’ny Coronavirus nanatona ity toeram-pitsaboana ity mantsy dia vokatry ny fisotroana sy fihinanana sakafo nampangatsiahana avokoa. Ka izany dia mitarika tranga misy fahasarotana eo amin’ilay marary raha tsy voatsabo ao anatin’ny ora vitsy. “Ankoatra izay, faniriana ny tsy hahatongavana amin’ny fihibohana tanteraka intsony ho antsika eto Madagasikara satria hitera-doza izany indrindra ny lafiny ara-tsosialy, mba tsy hisy ny fanararaotana isan-karazany tahaka ny vidin’ireo sakafo ilaina amin’ny andavanandro”, hoy ny hatrany ny fanazavana. Isan’ny fepetra noraisin’ny FITRAMA ihany koa ny fanamafisana ny ady amin’ny Covid-19 manerana ny Nosy, ao antin’izany i Morondava izay nahitana tranga maromaro tato ho ato. Ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy moa dia manana fanafody hiadiana amin’ity areti-mandoza ity ary vonona hatrany izy ireo ny handray an-tanana ireo marary. Na dia izany aza, tsy tokony tsinontsinoavina hatrany ireo fepetra hatramin’izay, hoy i Jean Nirina Rafanomezantsoa.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930