Madatopinfo

 Flash Info

INSPECTEURS SY CONTROLEURS DU TRAVAIL: Mitaky ny hanesorana ny Ministera tsy mahavaha olana

INSPECTEURS SY CONTROLEURS DU TRAVAIL: Mitaky ny hanesorana ny Ministera tsy mahavaha olana

mars 06
06:30 2021

Nifamotoana tamin’ny alalan’ny « assemblée générale » teny Ambohimanambola ny Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail (SAIT) izay notarihan’ny Filohany Rojomampionona Ravelomahatratra omaly zoma 5 marsa 2021. Fivoriana izay nifandrimbonanan’ny Inspecteurs du travail sy ny Contrôleurs du travail. Niompana tamin’ny fandinihana ireo paikady hotanterahana manoloana ny tsy famaliana ny fitakian’izy ireo izany fivoriam-be izany. Nandritra ny efa-bolana mantsy izay no nanaovan’izy ireo fitakiana momba ilay sata iraisana sy tambikarama ary mbola manamafy izy ireo fa tsy hijanona raha tsy misy paikady mivaingana avy apin’ny fitondram-panjakana. Tsiahivina moa fa ny Convention 81 sy ny 129 no takian’izy ireo hanomezana ny sata manokana mifehy ny Inspecteurs du travail sy ny Contrôleurs du travail. « Manome herinandro ho an’ny Ministera sy ireo tompon’andraikitra ao aminy izahay hanolorana vahaolana. Aorian’izay kosa, mangataka ny mpitondra handray fepetra amin’ny fanesorana na fametraham-pialana azy ireo », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Inspecteurs du travail, Dera Randrianarivony. Raha ny fantatra, miisa 150 ny Inspecteurs du travail manerana ny Nosy ary ny 85 amin’ireo dia tonga nanatrika io fivoriam-be io avokoa, nisy araka izany ny solontena maro avy any amin’ny Faritra. Nanambara ihany koa ny SAIT fa misy fiatraikany maro ny tsy fiasan’izy ireo, eo ny tsy fanarahan-dalàna eny anivon’ny orinasa sasany, ny fitomboan’ny adin’asa sy ny fihenan’ny fidiran-ketra ary mety hitarika mankany amin’ny korontana ara-tsosialy. Andrasana araka izany ny vahaolana aroson’ny fitondram-panjakana manoloana izao fitakiana izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930