Madatopinfo

 Flash Info

GALANA MADAGASCAR: Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika fisorohana ny loza ateraky ny afo

GALANA MADAGASCAR: Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika fisorohana ny loza ateraky ny afo

GALANA MADAGASCAR: Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika fisorohana ny loza ateraky ny afo
décembre 21
05:13 2020

Miara-misalahy amin’ny loza. Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha-70 taona ny Sampana mpamonjy voina ny alakamisy 10 desambra lasa teo, nisy ny famelabelaran-kevitra niarahan’ny Sampana Mpamonjy Voina, ny Galana ary ny Vitogaz Madagascar teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analkely. Nampahafantatra ireo fisorohana ny tranga mitarika firehetana izy ireo nandritra izany indrindra ny mpikirakira fitaovana mandeha amin’ny solika. Anisan’izany ny tsy tokony hitehirizana solika anaty tavoahangy plastika; eo koa ny tsy ampiasana afo na fitaovana miteraka afo eny amin’ireny tobin-tsolika ireny, ny fanaraha-maso ny zavatra ambony afo. Nisy ihany koa ny fampahalalana ireo fihetsika tokony atao raha sendra misy firehetana toy ny fanapahana avy hatrany ny famatsiana herinaratra, ny fametrahana amin’ny toerana azo antoka ny niharam-boina, ny fiantsoana ny laharana maitso 118 an’ny mpamonjy voina ary ny famonoana afo amin’ny alalan’ny fitaovana mifanaraka amin’izany. Ankoatra izay, nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena raha sendra misy firehatana amin’ireny kamiao ireny ihany koa ny ekipa mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Galana Madagascar sady tafiditra ao anaty fandaharanasany mihitsy moa izany. Ny avy amin’ny Groupe d’Etude et de Sécurité des Industries Pétroliers kosa no nampiofana ary tany Toamasina no nanatanterahana azy. Natrehan’ny Sampana mpamonjy voina sy ny tompon’andraikitra any an-toerana moa izany, teo koa ny Société Portuaire à Gestion Autonome de Toamasina (SPAT) sy ny APMF na Agence Portuaire Maritime et Fluviale. Tanjona mantsy ny ahafahana misoroka mialoha ny loza ateraky ny afo amin’ny toerana na fitaovana iray.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031