Madatopinfo

 Flash Info

FONDS YAVARHOUSSEN: Notontosaina teto Madagasikara ny ampahanin-tsarimihetsika « Graines d’espoir »

FONDS YAVARHOUSSEN: Notontosaina teto Madagasikara ny ampahanin-tsarimihetsika « Graines d’espoir »

FONDS YAVARHOUSSEN: Notontosaina teto Madagasikara ny ampahanin-tsarimihetsika  « Graines d’espoir »
juin 18
06:31 2022

Zava-dehibe ho an’ny Fonds Yavarhoussen (Fonds de Dotation HY) izay tarihan’ny Filohany sady Talen’ny Vondrona Filatex, Hasnaine Yavarhoussen, ny tontolon’ny fanabeazana izay tanterahana amin’ny alalan’ny tetikasa maro. Isan’izany ny horonantsary miompana amin’ny fanabeazana ranoray izay notontosain’i Pierre Beccu niaraka tamin’ny ankizy sy tanora miisa 332 manerana ny firenena efatra: Madagasikara, Espagne, Burkina Faso ary Frantsa. Sarimihetsika izay nampitondraina ny lohateny hoe: « Graines d’espoir » ary tohanan’ny Fonds Yavarhoussen. Notanterahana teny amin’ny Cinepax Ambodivona moa ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety mikasika ity horonantsary ity ny alakamisy 16 jona lasa teo. Voaresaka nandritra izany ny fivoizana ny fomba fijerin’ny ankizy eo amin’ny fanatsarana sy fampivoarana ny tontolo iainana. Tsy mijanona any an-dakilasy fotsiny ihany ny fampianarana ny ankizy fa ilaina ny fivelaran’ny sainy ankizy satria nanana fahafahana ireo ankizy ireo hampiasa fitaovana toy ny « caméra », ny solosaina sy ny maro hafa.

Misongadina anatin’ny « Graines d’espoir » ihany koa ny fikolokoloana ny zava-boary toy ny biby sy ny voninkazo an-jaridaina sy ny maro hafa izay nisy ampahany notontosaina teto Madagasikara. tsy natao ho an’ny ankizy ihany no iantefan’ny hafatra voarakitr’io horonantsary io fa na ny olon-dehibe ihany koa aza . Fomba iray ahafahan’ny ankizy mahafantatra ny maha-zava-dehibe azy ireny araka izany ity horonantsary ity. Ankoatra izay, mampiavaka ny « Graines d’espoir » ny nahafahan’ny ankizy manerana ireo firenena 4 ireo nitafa nivantana sy nifanakalo hevitra, nifampanontany, nifampizara traikefa tamin’ny alalan’ny serasera ampitain-davitra. Raha ny fanazavana voaray, tsy nisy sivana na fifantenana manokana (casting) ho an’ireo ankizy nandray anjara tamin’ity horonantsary ity. Ny « Graines d’espoir » moa dia ho hita ao amin’ny Cinepax Ambodivona ny 1 ka hatramin’ny 7 jolay ho avy izao ary hitety toerana maromaro.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930