Madatopinfo

 Flash Info

FITSABOANA ANTANANARIVO SY FARITRA ATSIMO : Fanasan-damba sy fizaham-pahasalamana ho an’ny vehivavy natolotra teo amin’ny HJRA

FITSABOANA ANTANANARIVO SY FARITRA ATSIMO : Fanasan-damba sy fizaham-pahasalamana ho an’ny vehivavy natolotra teo amin’ny HJRA

FITSABOANA ANTANANARIVO SY FARITRA ATSIMO : Fanasan-damba sy  fizaham-pahasalamana ho an’ny vehivavy  natolotra teo amin’ny HJRA
juillet 24
11:56 2021

Taoriana’ny fahatsapan’ny tompon’andraikitra ny fahalafosan’ ireo lamba fampiasa amin’ny fandidiana na “linge opératoire à lavage unique” ao amin’ny CHUJRA izay ahitana fandriana fandraisana marary 700 isa. Dia tsy nisalasala ny ONG ENTRAID izay nahorin-dRamatoa RAVELOSON Lucienne na Lôlô amin’ny fahafantaran’ny maro azy, izy izay sady « Chef de Service en Partenariat international » ao amin’io hôpitaly lehibe eto Antananarivo io. Ny ONG ENTRAID moa dia anisan’ireo rafitra iraisam-pirenena « système des Nations Unies » izany atokisan’ny Mpamatsy vola noho ny mpitarika izay nandalo fihofanana maro karakarain’izy ireo.Manoloana ny fahitany trangan-javatra mampalaelo dia ny tsy fahatakaran’ny sarababem-bahoaka ny vidin’ireo lamba voatokana amin’ny fandidiana, dia nanolotra soso-kevitra ny handiovana izany amin’ny milina manaraka fenitra ara-pahasalamana itsy farany ka nangataka fanampiana avy any ivelany moa izy nanatanterahany izany.
Tsy nisalasala moa ny Fanjakana Japoney tamin’ny alalan’ny masoivohony monina eto an-toerana nanolotra fanampiana izay tamin’ny alalan’ny rafitra APL. Marihina fa io fiara-miasa io dia efa vita sonia ny 5 marsa lasa teo ary ny votoatiny dia: ny fanamboarana sy fanavaozana na « réhabilitation »ny milina fanasan-damba tao amin’ny Hopital ihany, izay efa antitra sy efa osa tokoa. Manaraka izany koa ny fanoloran’ny mpamatsy vola milina roa karazana dia : voalohany milina manasa lamba sady manolana avy hatrany na «laveuse et essoreuse, ary faharoa milina manamaina lamba « sécheuse ».Koa dia azo pasohana avy hatrany moa izany ireo lamba avy nandalo an’ireo milina ireo. Ny indray miodina amin’ny milina fanasana lamba dia mahazaka 30kg.
Io famatsiambola io dia mitetim-bidy 73,664 Euro na 299.785,04 Ariary.Ary ny tanjona tamizany dia ny hanamaivanana ara-bola ireo vahoaka miroso amin’ny fandidiana, ary koa hampitomboana ny isan’ny fandidiana vita.Notokanana sy noraisina amin’ny fomba ôfisialy moa ireo fitaovana arehetra ireo
Tetsy andaninizay nifanindran-dalana taminio ihany koa mbola tetsy amin’ny CHURJA ihany ary fiaraha-miasa tamin’ny Governemanta Japoney, fa kosa niarahany tamin’ny UNFPA ( Agence de Nations Unies pour la Santé Sexuelle et Reproductive) izay notarihin’Andriamatoa Koffi KOUAME, ary niaraka tamin’ny Governemanta Malagasy izay nosoloin’ny minisitry ny Fahasalamana tena, dia ny fitokanana ireo Fiara na “Clinique Gynechologie mobile” miisa telo.Ary izy ireo kosa dia alefa any amin’ny faritra atsimo satria tafiditra anatin’ny “plan d’Emergeance du Sud”. Ary alefa any amin’ireo faritra sarodalana sy lavitra tobim-pahasalamana toy ny Ambovombe, Androy sns…
Ity fiara ity dia hiandraikitra asa maro izay manahirana any an-tany lavitra sy saro-dalana hoy Profesora RAJAONANAHARY Toky “Directeur de l’Etablissement CHUJRA”, noho izy efa manana teknika miroso kokoa amin’ny sehatra ara-pahasalamanaizay ahitana milina tena hary fomba ao anatiny; toy ny fanaovana ”echographie”, vata fampangatsiahana sy fitehirizan-dra, fandriana fiterahana , ary fanaovana fitiliana isan-karazany.Ka ny ministera dia handefa teknisianina mifanaraka amin’izany. Afaka atao ao amin’izany avokoa ny fisafoana hoan’ny vehivavy mitondra vohoka, fitiliana sy fitsaboana ireo vehivavy tojo aretina mamany lava, vakisiny hoan’ny zaza, na koa fitsaboana ireo vehivavy tojo olana eo am-piterahana sns…
Ny tanjona tamin’ity tetika’asa ity moa dia ny hamonjena ain’olona indrindra ny vehivavy sy ny zaza. Ary koa hanalana ny vesatry ny vahoaka eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana satria ny asa rehetra atao amin’ireo “Clinique Gynechologie Mobile” ireo dia maimaim-poana avokoa.Ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena fahadimy moa izy ity dia ny fahasalamana hoan’ny rehetra indrindra ny Reny sy ny zaza.
Hanitra Rasolonjatovo

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930