Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA FITEAM: « Mampihemotra ny fampandrosoana ny korontana »

FIKAMBANANA FITEAM: « Mampihemotra ny fampandrosoana ny korontana »

FIKAMBANANA FITEAM: « Mampihemotra ny fampandrosoana ny korontana »
juillet 26
06:30 2022

Manoloana ny raharaha mikasikan’ireo mpifindra monina any Port-Bergé sy Androy izay mampisy disadisa ara-piaraha-monina, nanatanteraka fihaonana teny anivon’ny Foiben’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (CFM) Ampefiloha ny delegasiona avy amin’ny Fikambanan’ny Teraka Androy eto Madagasikara na FITEAM ny alatsinainy 25 Jolay. Nandray azy ireo teny an-toerana nandritra ny dinika ny Filohan’ny CFM, Maka Alphonse sy ny mpiara-miasa aminy. Nanambara ny Sekretera Jeneralin’ny FITEAM, Adrien Ladislas Rakotondrazaka fa efa tao anatin’ny fandaharan’asa ny hahavitan’ny Lalampirenena faha-13 fa noho ny korontana nisy teto amin’ny firenena no tsy nahatanteraka izany hatramin’ny farany tamin’izany fotoana izany. « Miantso ny vahoaka malagasy hiaro sy hanaja ny soa iombonana indrindra ireo mpifindra monina ary mba tsy ho voasarika amin’ny fambolena korontana », hoy ny fanambaran’ny FITEAM. Voalazan’izy ireo ihany koa fa isan’ny mampihemotra ny fampandrosoana ny firenena ny fanakorontanana izay miseho amin’ny endriny samy hafa ary ny olona sahirana no tena mizaka ny voka-dratsy aterak’izany. Laharampahamehana ho an’ny FITEAM rahateo ny fampiroboroboana ny lafiny fampandrosoana ka sarotiny amin’izany ity fikambanana ity. Miantso ny mpiray tanindrazana araka izany ny Fikambanan’ny Teraka Androy mba tsy ho tafiditra anatin’ireo karazana vela-pandrika.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930