Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA CNFM: Nanolotra soson-kevitra hentitra ho fiarovana ny zon’ny vehivavy

FIKAMBANANA CNFM: Nanolotra soson-kevitra hentitra ho fiarovana ny zon’ny vehivavy

FIKAMBANANA CNFM: Nanolotra soson-kevitra hentitra ho fiarovana ny zon’ny vehivavy
octobre 12
07:30 2020

Fikambanana iray izay mampivondrona ireo fikambanam-behivavy avy amin’ny fiaviana rehetra mihetsika eto Madagasikara ny CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar) ary mankalaza ny faha-10 taona nijoroany amin’ity taona 2020 ity. Ho fiarovana sy hampiroboroboana ny zon’ny vehivavy Malagasy dia nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izany fikambanana izany ny zoma 9 Oktobra lasa teo teny Antaninarenina. Nandritra izany no nanambaran’ny Filohan’ny CNFM, Estelle Andriamasy fa hitondra soson-kevitra mankany amin’ireo fahefana mpanapa-kevitra eto amintsika hitsinjovana manokana ny vehivavy amin’ireo drafitra fanarenana aorian’ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena ity fikambanana ity. Mahatsapa araka izany ny CNFM fa mafy ny fiantraikan’ny covid-19 ary hatreto mbola tsy manana antontan’isa raikitra mikasika ny vehivavy voakasik’izany izy ireo. Isan’ireo soson-kevitra aroson’ity fikambanana ity ny tokony hampitomboana ny tetibola atokan’ny fanjakana eo amin’ny sehatra ara-tsosialy. Nambaran’ny CNFM koa fa tokony hisy fiofanana arak’asa fohy hositrahan’ny vehivavy, ary hamoraina ny fidiran’ny vehivavy amin’ireo tetikasa maro atokana ho azy ireny. Soson-kevitra aroson’ity fikambanana ity ihany koa ny hisian’ny ivon-toerana ihainoana ny feon’ny vehivavy malagasy manoloana ny trangana herisetra isan-karazany. Raha ny tatitra navoakan’izy ireo dia “ mbola vitsy ny vehivavy no misehatra eo amin’ny asa ara-politika eto Madagasikara satria raha ny taona 2019, ministra vehivavy no nandrafitra ny 27,27 isan-jaton’ny mpikambana tao amin’ny Governemanta”. Ankehitriny, fikambanam-behivavy miisa 40 no mandrafitra ny CNFM ary misy mpikambana manodidina ny 70 izay . Efa misandrahaka manerana ny faritra 14 ny fikambanana ary tanjona ao anatin’ny 3 taona manaraka ny handrakotra ny Faritra 22 eto Madagasikara. Andrasana araka izany ny valin-tenin’ny fitondrana tompon’andraikitra mahakasika ireo soson-kevitra naroson’ny CNFM ireo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930