Madatopinfo

 Flash Info

FIANTRAIKAN’NY COVID-19: Mitsahatra tsy mihodina aloha ny ozinina mpamokatra zava-pisotro Star

FIANTRAIKAN’NY COVID-19: Mitsahatra tsy mihodina aloha ny ozinina mpamokatra zava-pisotro Star

FIANTRAIKAN’NY COVID-19: Mitsahatra tsy mihodina aloha ny ozinina mpamokatra zava-pisotro Star
juillet 29
18:00 2020

Niteraka resa-be teny amin’ireny tambajotran-tserasera isan-karazany ireny tao anatin’ny ora maromaro izay ny mikasika ny olana sedrain’ny orinasa Star amin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Manoloana izany indrindra, dia nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa lehibe ity. Voalaza tao anatin’ny tatitra fa misy aloha ny fiatoan’ny famokarana zava-pisotro Star ao anatin’ny fotoana voafetra. Voakasik’ity fitsaharana ity ny ozinina mpamokatra zava-pisotro Star ao Andraharo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe ary ny any Antsiranana. Vokany, mpiasa maro no voatery iharan’ny fampiatoana vonjimaika amin’ny asany na « chômage technique » hatramin’ny faran’ny volana Aogositra. Tsy mbola voafaritra mazava kosa aloha hatreto ny isan’ireo mpiasa voakasik’ity fitsaharana ity. « Mbola hitohy hatrany kosa anefa ny fisian’ny vokatra Star eny amin’ny masoivoho ary hamaliana ny filàn’ny mpanjifa dia manohy ny asany ireo mpiandry raharaha eo anivon’ny orinasa », hoy hatrany ny tatitra. Raha ny mikasika ny tahiry indray kosa dia fantatra fa tsy misy ahiana satria mbola ampy tsara izany hatreto ary raha sanatria misy ny tsy fahampiana dia hisokatra avy hatrany ny ozinina voakasika.
Fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana ny orinasa Star ireo ary akony tsy nahafaha-nihodina ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao noho ny voka-dratsy aterak’ity valan’aretina Covid-19 ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930