Madatopinfo

 Flash Info

FETIM-PIRENENA 2020: Voafetra ho 80 ny olona hasaina hanatrika ny matso

FETIM-PIRENENA 2020: Voafetra ho 80 ny olona hasaina hanatrika ny matso

FETIM-PIRENENA 2020: Voafetra ho 80 ny olona hasaina hanatrika ny matso
mai 27
07:44 2020

Hiavaka ny fankalazan’ny Malagasy ny fetim-pirenena amin’ity taona ity noho ny fisian’ny valanaretina covid-19 eto amintsika. Raha eny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina hatrany mantsy no mahazatra hankalazana izany lanonana izany isan-taona, hiova etsy amin’ny Avenue de l’Indépendance Analakely kosa izany ny 26 Jona 2020. Araka ny fanazavana nentin’ny Général de Division Jean Claude Rabenaivoarivelo, Chef de l’Etat-Major des Armées nandrita ny tafa ho an’ny mpanao gazety teny Andohalo omaly dia mpitandro filaminana 2 720 no handray anjara amin’ny matso amin’ity fankalazana ny fetim-pirenena 2020 ity izany hoe ny polisy sy zandary ary miaramila. Nambarany ihany koa fa tsy hihoatra ny 80 olona hasaina hanatrika izany ary tsy azon’ny rehetra hatrehana mba hisorohana ny fivorivoriana na fitangoronana. Fantatra ihany koa fa hanomboka ny 24 Jona hisy ny fanadiovana faobe eny amin’ny Avenue de l’indépendance Analakely sy ny manodidina izay hiarahan’ny polisy, zandary ary miaramila misalahy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930