Madatopinfo

 Flash Info

FESTIVAL SOMAROHO: Hakotroka ny fanamarihana ny andiany fahafolo amin’ity taona ity

FESTIVAL SOMAROHO: Hakotroka ny fanamarihana ny andiany fahafolo amin’ity taona ity

FESTIVAL SOMAROHO: Hakotroka ny fanamarihana ny andiany fahafolo amin’ity taona ity
mai 01
06:24 2023

Lanonana roa sosona no hankalazaina any Nosy Be amin’ity taona ity mandritra ny hetsika ara-koltoraly iraisampirenena « Festival Somaroho ». Hotanterahana ny 02 ka hatramin’ny 13 Aogositra 2023 izany raha ny nampahafantarina ny zoma lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Amin’ity taona ity, hiavaka tanteraka ny andiany 2023 satria mankalaza ny faha-20 taonany ny Tarika Wawa sy ny faha-10 taonan’ny « Festival Somaroho ». Hiara-hanamarika izany miaraka amin’ny vahoaka malagasy i Wawa sy ny Telma amin’ny alalan’ny fisarihana goavana. « Hisy ny lalao fandefasana sms amin’ny sarany 1.000 ariary monja izay mety hahazoana fiara vaovao, bisikleta, moto sy loka maro samy hafa. Tsotra ny fandraisana anjara, alefa amin’ny laharana Telma 038 88 811 11 ny hoe: SOMAROHO mihataka kely anarana feno », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma, Rado Ramaroson. Ny fisarihana kosa dia hotanterahana isaky ny 3 herinandro izay mety hahazoana fivahinianana ho an’olon-droa any Nosy mandritra ny hetsika ny Somaroho, hoantohana avokoa ny fivezivezena any an-toerana, ny trano, ny sakafo sy ny sisa. Nomarihiny fa manomboka ny alatsinainy 01 Mey ny fandefasana ny lalao sms ka hatramin’ny 11 Aogositra ho avy izao. Ny 19 Mey kosa no hanatanterahana ny fisarihana voalohany ary 13 Aogositra ny fisarihana goavana ho an’izay mpandray anjara tsara vintana. Olona 3 isaky ny 3 herinandro araka izany no hovoasarika, tsy misy fetrany ny fandefasana sms raha ny nambaran’i Rado Ramaroson hatrany.
« Ho feno ny fandaharam-potoana mandritra ny Festival Somaroho 2023, amin’ny maha hetsika ara-koltoraly azy dia handravaka ny hetsika ny fandraisan’anjaran’ireo tarika mpanakanto malagasy kalaza manodidina ny 25. Hisy artista malaza avy any ampitan-dranomasina ihany koa hoavy hanafana ny lanonana amin’io », hoy i Wawa. Ny tarika Wawa izay hanolotra seho goavana amin’ity fankalazana ny faha-20 taonany ity any an-toerana, hirainy mandritra izany avokoa ny hirany nanomboka tamin’ny rakikira voalohany. Raha ny eo amin’ny lafiny fandriampahalemana indray kosa, dia nampanantena ny komity mpikarakara fa hiara-miasa amin’ny manampahefana izy ireo mba hianoka anaty lanonana tanteraka ny vahoaka. Maherin’ny 120.000 mantsy ny mpivahiny handrasana amin’ity Festival Somaroho andiany fahafolo ity izay isan’ny hampiroborobo ny fizahantany ao Nosy Be.

M.R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031