Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA ANALANJIROFO SY SAVA:Tandindomin-doza ny seha-pihariana lavanila

FARITRA ANALANJIROFO SY SAVA:Tandindomin-doza ny seha-pihariana lavanila

FARITRA ANALANJIROFO SY SAVA:Tandindomin-doza ny seha-pihariana lavanila
mai 05
06:04 2022

Fatiantoka iray lavaka, io no azo hamehezana ny fanambarana notanterahan’ireo tantsaha mpamboly lavanila mivondrona amina koperativa any amin’ny faritra Analanjirofo sy SAVA izay faritra mpamokatra lavanila be eto Madagasikara. Namaky bantsilana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Antaninarenina ireo solon-tenan’ny tantsaha eny ifotony toa ny koperativa Miray, FTMVM, koperativa Analanjirovo, koperativa Alaotra SAVA ary ny CNPE (Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental). Isan’ny voaresaka tao anatin’ny fanambarana ny fitakiana fampiharana ny lalàna mifehy ny lavanila izay tena goragora ka mampahazo vahana ny tsy ara-dalana. Eo ihany koa ny tokony handinihana ny tetiandro-piotazana ka hamerenana izany eo anivon’ny fokontany sy ny kaominina eny ifotony. « Marary ny seha-pihariana lavanila, mafy lavitra noho ny Covid-19. Tsy manana anjara toerana sy sehatra ifampidinihana ny mpamokatra manoloana ireo rafitra isan-karazany najoro hisahana ny fihariana lavanila (CNV, CTP, CRV) », hoy ny fanambarana niraisan’ireo koperativa. Nambaran’izy ireo fa ny fisian’ny mpanelanelana izay tena migoaka tombotsoa amin’ity sehatra ity no mampisy fatiantoka ho an’ny tantsaha ary koa mamotika ny kalitaom-bokatra. Manoloana izany, mitaky ny fahaleovan-tenany ny mpamboly, mangataka ihany koa fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo ministera tompon’andraikitra momba ny kalitao izy ireo, ny fandriampahalemana sy ny fitorohana ireo mandika lalàna. Nohamafisin’ireo koperativa ireo indrindra ihany koa ny fitakiana ny famaritan’ny fanjakana ny vidiny farany ambany hivarotana ny lavanila maitso sy ny masaka ary ny fampiharana izany. Tamin’ny alalan’ny taratasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena, ny Praiministra, ny Ministry ny Varotra, ny Ministry ny Toekarena, ny Ministry ny Fambolena ary ny Ministry ny Atitany moa ity notanterahan’ny solontenan’ny tantsaha mpamokatra lavanila ireo.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930