Madatopinfo

 Flash Info

FANARENANA NY TOEKARENA: Hanamafy ny fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny GEM

FANARENANA NY TOEKARENA: Hanamafy ny fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny GEM

FANARENANA NY TOEKARENA: Hanamafy ny fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny GEM
octobre 16
07:30 2021

Nandritra izay volana maro nisian’ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara izay, betsaka ny orinasa no nisedra fahasahiranana sy tsy tafarina indrindra amin’ny sehatry ny fizahan-tany. Izany anefa dia sakana tsy nahafahana nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena, mpiara-miasa sy mpamatsy vola. Ho fandinihina izany, nisy ny fivoriambe notontosain’ny mpikambana ao amin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara na ny GEM teny Anosy ny zoma 15 oktobra izay niresahana ny olana naterak’ity valanaretina ity sy ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara. « Tokony hisy ny fihaonana an-databatra boribory miaraka amin’ny fitondram-panjakana ahafahana mampiakatra ny harin-karena eto amintsika », hoy ny Filohan’ny GEM, Thierry Rajaona. Nivoitra nandritra ity fivoriambe ity ihany koa ny paikady hanarenana ireo orinasa voakasik’izany krizy izany indrindra ny fandinihana ny tetibola izay entin’ny GEM miasa. Raha ho an’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara, tokony ampirisihana ny famoronana asa eto an-toerana, eo ihany koa ny fanamorana ny findramam-bola na eo amin’ny antoka izany na amin’ny lafiny zana-bola hamerenana amin’ny laoniny ny toekarena izay nitontongana. Andrasana araka izany ny fihaonana eo amin’ireo vondron’ny mpandraharaha tsy miankina sy ny fitondram-panjakana, ao anatin’izany ny Ministeran’ny fitantanam-bola hamaritana vahaolana maharitra ahafahana manarin-doha tsikelikely ny toekarena eto Madagasikara hatramin’ny taona 2022.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930