Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIRANTIANA SANGANASA: Haseho amin’ny alalan’ny zava-kanto ny fahaleovantena

FAMPIRANTIANA SANGANASA: Haseho amin’ny alalan’ny zava-kanto ny fahaleovantena

FAMPIRANTIANA SANGANASA: Haseho amin’ny alalan’ny zava-kanto ny fahaleovantena
octobre 08
09:30 2021

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny Hakanto Contemporary, Alhambra Gallery Ankadimbahoaka ny sabotsy 9 oktobra amin’ny 3 ora tolakandro ny hetsika ara-kolontsaina izay nampitondraina ny lohateny hoe: « Ny fitiavanay – Our love – Notre amour ». Tao anatin’izay 2 taona nitsanganan’ny Hakanto Contemporary izay dia fampiratiana fahatelo izao hotanterahana izao. Raha tsiahivina, « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao » no lohahevitra tamin’ny fampirantiana voalohany, « Beyond all you are mine » no faharoa. « Ny fitiavanay – Our love – Notre amour » kosa dia notsongaina avy tao anatin’ny hiram-pirenena Malagasy « Ry tanindrazanay malala, ny fitiavanay anao tsy miala », hoy ny fanazavana nentin’i Joël Andrianomearisoa, mpanakanto sady Tale artistika eo anivon’ny Hakanto Contemporary. Hiresahana momba ny fahaleovantena araka izany ny vokatra izay ho hita ao anatin’izany fampirantiana izany. Mpahay kanto manodidina ny 26 no handray anjara mandritra ity fampirantiana ity, 16 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo. Maro ny endrika hanehoan’ireto artisa ireto ny sanganasany ao anatin’ny lohahevitra « Ny fitiavanay – Our love – Notre amour » tahaka ny hosodoko, hira, lakozia, horonantsary, tantara an-dapihazo. Araka ny fanazavana hatrany, sanganasa nanomboka ny taona 1900 ka hatramin’ity taona 2021 ity no hita mandritra ny « Ny fitiavanay – Our love – Notre amour ». Manomboka ny 9 oktobra 2021 ka hatramin’ny 15 janoary 2022 ny faharetan’ny fampirantiana. Ankoatra ny ao amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, hisy ihany koa ny fampirantiana eny amin’ny rindrin’ny tsenan’ny Pochard, ny rindrin’ny sekoly Jean Joseph Rabearivelo ary ny fandraisana anjaran’ireo artista eny amin’ny Tranopokonolona Analakely. Tsiahivina fa ny Hakanto Contemporary moa dia Ivontoerana manandratra ny zava-kanto amin’ny vanim-potoana ankehitriny, tohanan’ny Fonds Yavarhoussen izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Groupe Filatex eto Madagasikara, Hasnaine Yavarrhoussen. Misokatra ho an’ny daholobe tsidihana ity Ivontoerana ity ny talata ka hatramin’ny sabotsy.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031